Davida (mpanjaka): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-11:
|taona niasàna=
}}
'''Davida''' dia [[Mpanjakan'i Israely|mpajakan'i Israely]] teraka tokony ho tamin'ny taona 1040 tal. J.K. ary maty tamin'ny taona 970 tal.J.K. tao [[Jerosalema]]. Araka ny [[Testamenta Taloha]] ao amin'ny [[Baiboly]] dia mpanjaka faharoan'i Israely nandimby an'i [[Saoly]] (na Saola) i Davida teo anelanelan'ny taona 1000 sy 970 tal. J.K. Taranany ireo [[mpanjakan'i Jodà]] nifandimby. I Davida no mpanjaka nahatanteraka ny firaisan'ny [[Israelita]] rehetra sady nanao an'i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany. Amin'ny Kristiana dia tandindn'ny [[Mesia]] izy. Ao amin'ireo [[Bokin'i Samoela]] sy ireo [[Bokin'ny Mpanjaka]] ary ny [[Boky voalohan'ny Tantara]] no tena ahitana ny tantarany ao amin'ny Baiboly.
 
==Ny fiainany manokana==
[[Sary:Rosselli Triunfo David.jpeg|vignette|162x162px|''I Davida mpandresy'', nataon'i Matteo Rosselli, 1620]]
I [[Jese (rain'i Davida)|Jese]] no rainy. Ny vadiny dia i [[Batseba]] (na Betsabe) sy i [[Abigaila]] sy i [[Egla]] sy i [[Maka (vadin'i Davida)|Maka]] sy i [[Ahinoama]] sy i [[Hagita]] ary i [[Abitala]]. Ny zanany dia i [[Solomona]] sy i [[Absaloma]] sy i [[Kileaba]] sy i [[Tamara]] sy i [[Natana (zanak'i Davida)|Natana]] sy i [[Adonia (zanak'i Davida)|Adonia]] sy i [[Amnona]] sy i [[Jibara]] ary i [[Jerimota]].
 
== Tantaran'i Davida araka ny Baiboly ==
Teraka tao [[Betlehema]] i Davida. Izy no faralahin'i [[Jese]] mpiompy ondry tao amin'ny [[fokon'i Jodà]]. Niandry ny andian'ondrin-drainy i Davida nandritra ny fahatanorany. Nibaiko ny mpaminany [[Samoela]] Andriamanitra mba handeha mangingina any amin'i Jese hisafidy izay handimby an'i [[Saoly]] mpanjakan'i Israely amin'ireo zanany sivy lahy. I Davida faralahy no nosafidin'i Samoela ka nohosorany menaka, araka ny [[Boky voalohan'i Samoela]] (1Sam. 16.1-13).
 
Mpitendry zavamaneno mahay i Davida ka noraisin'i Saoly tao an-dapany mba hankafizany ny fanenenon'ny valihany. Taty aoriana, andritra ny fotoana nampifandimbiasany ny findrasana ondry sy ny nitendreny valiha tao an-dapa dia nitsidika ny tobin'ny miaramila israelita izy mba hanome hanina ireo rahalahiny. Tany no nahalalany fa misy lehilahy amin'ny fahavalon'ny Israelita, dia ilay mpiady mahery indrindra tamin'ny tafiky ny [[Filistina ao amin'ny Baiboly|Filistina]], atao hoe [[Goliata]] avy any Gata, izay nanao fihaikana ny Israelita hanao adin'olon-droa alohan'ny tena hiadian'ny tafika roa tonta. Nanolo-tena hamaly izany fihaikana izany amim-pahasahiana i Davida. Rehefa natao ny adin'i Davida sy i Golilata teo amin'ny lohasaha Elaha, dia voan'ny vato natorak'i Davida tamin'ny antsamotady i Goliata ka maty ka notapahin'i Davida ny loha (1Sam. 17.40-54). Raiki-tahotra ny Filistina ka nandositra. Tamin'izany no nahatonga an'i Davida ho mpinamana tamin'i [[Jonatana]] zanak'i Saoly.
 
Niteraka fatahorana sy fialonan'i Saoly izany lazan'i Davida izany, satria nihevitra i Saoly fa tsy hahatanteraka ny fandovan'ny zanany lahy ny fanjakana izany. Nikendry ny hahafaty an'i Davida i Saoly ka nomeny azy ho vadiny ny zanany vavy atao hoe Mikala nefa tsy maintsy hiady amin'ny Filistina zato i Davida alohan'ny hanatanterahana ny fanambadiana (1Sam. 18.20-27). Resin'i Davida, izay lasa vinanton'i Saoly noho izany, ny Filistina, nefa nitohy ny fifofoan'i Saoly ny ain'i Davida. Nandositra tany an-tany efitra sahala amin'ny olon-dratsy i Davida ka nikambana tamin'ny jiolahy izay nanampy azy. Rehefa nitady azy i Saoly ka nahita azy sady saika hahafaty azy, dia nakany amin'ny Filistina fahavalony taloha, ka nanompo ny mpanjakan'ny Filistina tao Gata, atao hoe Akisy, i Davida.
 
Rehefa maty i Saoly sy i Jonatana, tao amin'ny ady nifanaovany tamin'ny Filistina, dia niverina tao amin'ny tanin'i Israely i Davida ka nasandratra ho mpanjakan'ny [[fokon'i Jodà]] tao Hebrona (2Sam. 2.1-4), nefa tsy nanitatra ny fanjakany tamin'ny [[fokon'i Israely]] hafa izy. Fito taona taty aoriana dia nanaiky an'i Davida ho mpanjakany ny fokon'i Israely sisa rehetra, talohan'izany dia notapahin'i [[Isbaala]] (na Isboseta) zanak'i Saoly izy ireo (2Sam. 5.1-5).
 
Niady matetika i Davida ka nandresy ny [[Filistina]], ny [[Moabita]], ny [[Arameana]], ny [[Edomita]] ary ny [[Amonita]], dia lasa lehibe ny tany notapahiny tao amin'ny [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|fanjakan'i Israely]] fony mbola tsy nivaky, ka izany no tanim-panjakana lehibe indrindra teo amin'ny tantaran<nowiki>''</nowiki>i Israely. Mba hampiraisany tanteraka ilay fanjakana vaovao dia nalainy ny mandan'ny [[Jebosita]] (na Jeboseana) tao Ziona (na Siôna) ka nataony renivohitra ny tanàna jebosita atao hoe Jerosalema, izay lasa fantatra amin'ny anarana hoe "tanànan'i Davida" (2Sam. 5.6-9). Nitoky tamin'Andriamanitra i Davida ka nanaraka an-tsakany sy an-davany ny tenin'ny mpaminany, indrindra ny an'ny mpaminany [[Natàna (mpaminany)|Natàna]] izay nandrara azy tsy hanangana ny [[Tempolin'i Jerosalema|tempoly]] hametrahana ny [[fiaran'ny Fanekena]]. Nanambara ny mpaminany fa tsy mendrika ny olona mpiady ny hanao izany asa izany sady ny zanak'i Davida no hanatanteraka ny fananganana ny tempoly (2Sam. 7.1-7). Noho izany dia tao anaty [[tabernakely]] ao Jerosalema no nametrahana ny fiaran'ny Fanekena, ka nahatonga an'io tanàna io ho foiben'ny fivavahana sy renivohi-panjakan'ny tany nakamban'i Davida. Tao Jerosalema no tena nanaovana fihirana salamo amin'ny fotoam-pivavanana ka nahatonga an'i Davida ataon'ny lovantsofina fa mpamorona ny salamo miisa 73 ao amin'ny [[Bokin'ny Salamo]] ao amin'ny [[Baiboly]].
 
Nanao fahadisona lehibe i Davida rehefa nahatratra ny tampon'ny voninahiny, dia ny nanaovany fijangajangana niampy vonoan'olona. Raiki-pitia tamin'i [[Batseba]] (na Betsabe), izay vadin'ny miaramilany atao hoe Oria, mantsy ny mpanjaka Davida. Nitoe-jaza ilay vehivavy dia nalefan'i Davida tany an'ady eny alohan'ny miaramila rehetra i Oria ka maty (2Sam. 11.2-27). Mba ho setrin'ny fahotany dia maty ilay zaza vokatry ny fijangajangana tamin'i Batseba. Fanampin'izany koa dia nanakorontana ny filaminana tao an-dapa ny zanaka lahin'i Davida, ohatra amin'izany i Absaloma zanany izay tsy nikomy taminy nefa tsy nahomby ka niafara tamin'ny fahafatesana, sy i Adonia (na Adoniasa) izay nikononkonona fikomiana tao an-dapa mba haka ny fitondrana. Tsy nahomby i Adonia ka i [[Solomona]] (na Salômôna) zanaka lahin'i Davida faharoa tamin'i Batseba no nataon'i Davida mpandova ny fanjakany, araka ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] (1Mpanj. 1.11-40).
 
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]