Zakaria (mpanjakan' i Israely): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I '''Zakaria''' dia mpanjakan'i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]] teo antenantenan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Zanak'i [[Jeroboama II]] izy. Enim-bolana fotsiny no nanjakany dia novonoin'ny mpanongam-panjakana atao hoe [[Saloma (mpanjakan'i Israely)|Saloma]] izy. Araka ny [[Baiboly]] dia maty noho ny tsy fanarahana ny fivavahana marina izy. Amin'ny [[Fiteny hebreo|fiteny hebreo]] dia זְכַרְיָה‎ / ''Zəḵaryāh'' no anarany fa amin'ny [[Fiteny latina|fiteny latina]] dia ''Zacharias''. Ao amin'ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] (2Mpanj. 15.8-12) no itantarana ny fanjakany.
 
Raha ny amin'ny fotoana nanjakany dia lazain'i William Foxwell Albright fa tamin'ny taona 746 hatramin'ny 745 tal. J.K. izany, nefa i Edwin R. Thiele dia manohana fa tamin'ny taona 753 hatramin'ny 752 tal. J.K. izany. I Floyd N. Jones dia milaza fa mety nanjaka nandritra ny 12 taona i Zakaria satria tsy milaza ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] (2Mpanj. 15.8) fa nanomboka nanjaka nandritra ny faha-38 taona nanjakan'i [[Ozia]] (na Oziasa) izy fa ny enim-bolana farany nanjakany no mifanandrify amin'izany. I Jones kosa dia milaza fa mety nanjaka tamin'ny taona 748 hatramin'ny 772 tal. J.K. i Zakaria.
 
== Ny anarany ==
Amin'ny [[fiteny hebreo]] dia זְכַרְיָה‎ / ''Zəḵaryāh'' no anarany fa amin'ny [[fiteny latina]] dia ''Zacharias''. Ao amin'ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] (2Mpanj. 15.8-12) no itantarana ny fanjakany.
 
== Jereo koa: ==