Debôrà: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:053.Deborah Praises Jael.jpg|vignette|287x287px|''I Debora'', nataon'i Gustave Doré, taona 1866.]]
I '''Debora''' na '''Debôrà''' dia mpaminanivavy izay [[Mpitsara ao amin'ny Baiboly|nitsara]] ny [[Zanak'i Israely]] tanatin'ny 40 taona sady anisan'ireo atao hoe mpitsara lehibe araka ny [[Bokin'ny Mpitsara]] (Mpits. 4-5). Nandimby an'i [[Samgara]] izy sady nodimbasan'i [[Gideona]]. Atao hoe דְּבוֹרָה / ''Dəḇōrāh'' izy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]], izay azo adika hoe "renitantely".
 
Nikambana tamin'i Debora, izay avy any amin'ny tendrombohitr'i Efraima, i Baraka avy any Kadesy any [[Fokon'i Naftaly|Naftaly]] raha nahita ny fandrahonana nataon'i Sisera avy any Haroseta ha-Goima. (I Sisera dia mety ho mpitari-tafik'ireo Mponina avy any an-dranomasina.) Nandresy ny tafik'i Sisera izy ireo teo akaikin'ny ony Kisona, noho ny firotsahan'ny oram-batravatra izay nahatonga ny fiaran'ireo fahavalo ho rendrika. Izany no ady tao amin'ny ranon'i [[Megido]].