Gideôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I '''Gideona''' na '''Gidehôna''' dia isan'ireo atao hoe [[Mpitsara ao amin'ny Baiboly|mpitsara]] lehibe tao amin'ny Israely araka ny [[Bokin'ny Mpitsara]] (Mpits. 6-8). ''Giḏʻôn'' (גדעון) no fanononana io anarana io amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]]. Atao hoe ''Yĕrubba`al'' ("hiaro tena anie i Baala" / "hiady anie i Baala") koa izy. Ity nanarana ity dia soratana hoe ''Jerobaala'' ao amin'ny [[Baiboly malagasy]]. Zanak'i Soara avy any Ofra izy. I [[Debora]] no mpitsara nodimbasiny ary i [[Abimeleka]] zanany no nandimby azy.
 
I Gideona no mpitarika ny [[fokon'i Manase]], ary nitarika ny ady tamin'ny [[Madianita|Midianita]] izay mpandroba avy any atsimo sy atsinanana nampiasa rameva. Voatosiny izy ireo nandritra ny ady voalohany tany ivelan'ny tanin'i Isiraely, tao Eina-Haroda. Novonoin'ny [[Fokon'i Efraima|Efraimita]] izay nanakana ny fiampitana an'i [[Jordana (ony)|Jordana]] i Orebita sy i Zeba, mpitarika ny tafiny. Taorian'ny fanafihana nataon'ny Midianita teo akaikin'ny Tendrombohitr'i Tabora dia nanenjika azy ireo i Gideona tany atsinanan'ny reniranon'i [[Jordana (ony)|Jordana]] ary namono ny mpitarika azy dia i Zebaha sy i Salmona. Nandritra ity ady faharoa ity no nandresen'i Gideona ny mpanohitra an'i Penoela sy i Sokota tao amin'ny lohasahan'i Jordana. Nisy ireo namporisika azy ho mpanjaka, taorian'ireo fahombiazana ara-tafika ireo, nefa nandànanda izany izy.
 
== Jereo koa: ==