Mesia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-10:
 
== Ny Mesia araka ny finoana jiosy ==
Ny olona nohosorana voalohany, araka ny Baiboly, dia hita ao amin’ny [[Bokin'ny Eksodosy|Bokin’ny Eksodosy]] (Eks. 29) ka ireo mpisorona no nohosorana tamin’izany: "''Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin'ny lohany, dia manosora azy''." (Eks. 29.7). Tamin’ny fotoan’ny [[Fahababoana tany Babilona]], ny mpaminany sasany dia miresaka ny amin’ny mesia, dia ny mpanjaka izay hanorina indray ny fanjakana ao amin’ny tanin'i Isiraely sady hanafaka azy. Taty aorian’ny Fahababoana dia navelan’ireo [[Persia|Persiana]] hody any an-taniny ny Jiosy ka i [[Ezra]] (na [[Esdrasa]]), izay mpisoron-dehibe tao Jerosalema, no niandraikitra ny fanorenana indray ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] sy ny [[jodaisma]], fa i Zorobabela kosa, izay taranak’i [[Davida (Baiboly)|Davida]], dia voatendry ho mpanapaka mpanapakan'ny faritanin’i Yehoda (Jodia na [[Jodea]] (na Jodea). Ny tanjon’ny Persiana anefa dia tsy ny hiverenan’ny fahaleovantena ara-politikan’ireo faritany anjakany fa ny hamerina indray ny fomba amam-panaony mba hahatonga azy ireo hanoa ny fitondrana persiana. I Zorobabela dia natsoina hiverina any Babilona, noho izany dia mpisorona no nantenaina ho Mesia.
 
Tamin’ny taonjato voalohany, noho ny fiheverany ny Romana ho ny zavatra ratsy indrindra, ny Jiosy dia nivaofy ny faminaniana ao amin’ny Baiboliny ([[Tanakh]]) ho manondro olona voatendrin’Andriamanitra hitondra ny Jiosy amin’ny fahafahana. Ambonin’izany, nikorontana na ara-politika na ara-pivavahana i Jodea: maro ireo "sekta" niady fahefana sy niady ho lohany ara-pivavahana. Ny [[Sadoseo]] sy ny [[Fariseo]] ary ny [[Eseniana]] no tena natanjaka indrindra amin’ireo. Tao koa ireo [[Galileana]] sy [[Zelota]] ary [[Sikara]].
Andalana faha-19:
Maromaro ireo faminaniana izay miresaka ny amin’ny olona iray ao amin’ny taranak’i [[Davida (Baiboly)|Davida]] hohosorana hitondra ny Jiosy sady hatao hoe מלך המשיח / ''Melekh hamashiah'' ("mpanjaka mesia" na "mpanjaka voahosotra") na ''Mashiah'' ("voahosotra"). Ny faminaniana momba io olona io dia miresaka azy ho taranaky ny mpanjaka Davida, izay hanangana indray ny [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|firenen’i Israely]] sy hitondra fiadanana amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fametrahana indray ny Fanjakan'ny taranak’i Davida sady handringana ny ratsy fanahy sy hitsara izao tontolo izao amin’ny [[andro farany]].
 
Araka ny hevitr’i Neil Asher Silberman, ao amin’ny ankamaroan’ny boky ao amin’ny Baiboly, ny hoe ''mashiakh'' dia midika hoe "mpitarika mahery ampanatanterahin’Andriamanitra asa". Nampiasaina hanondroana an’i [[Saoly]] (na Saola) sy i [[Davida (Baiboly)|Davida]] ary i [[Solomona]] (na Salomona) ary i [[Kirosy Lehibe]] (izay tsy Hebreo na Jiosy fa Persiana) ihany koa io teny io. Tamin’ny nandravan’ny Babiloniana ny [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakan’i Jodà]] (586 tal. J.K.), ny vahoaka jiosy dia nanomboka niandry ny fotoana hahatongavan’ny mpanjaka voahosotr’Andriamanitra tahaka an’i Davida, na ny iray amin’ireo taranany, mba "hitsangana handringana ny fahavalon’i Israely" sy hamerina indray ny fahaleovan-tenany ary koa hanangana indray ny [[Fanjakan'Andriamanitra|fanjakan’Andriamanitra]] eto an-tany<ref><small>Neil Asher Silberman, ''La vérité de Qumrân'', Ed. Stock, 2003, pp. 179-180.</small></ref>.
 
=== Ny Mesia araka ny Jodaisma tranainy sy amin’izao fotoana izao ===
Tsy mitovy ny fiheverana ny mesia eo amin’ny jodaisma tranainy sy ny jodaisma ankehitriny. Ny [[Talmoda]] (hebreo: ''תַּלְמוּד'' /''Talmud'') dia maneho karazana mesia roa: dia ny Mesia zanak’i Josefa sy ny Mesia zanak’i Davida. Amin’ny fiteny hebreo, ny teny hoe ''ben'' dia manondro amin’ny ankapobeny ny hoe "zanaka", nefa mety hanondro ny taranaka avy amin-dray rehetra, sahala amin’ny teny arabo hoe ''ibn''. Hivoaka avy amin’i [[Fanjakan'i Jodà|Jodà]] ny Mesia zanak’i Davida, izany dia mamerina indray ny zava-nitranga ny amin’i Kaleba, izay taranak’i Jodà, sy i [[Josoa]] taranak’i Efraima zanak’i [[Josefa (zanak'i Jakoba)|Josefa]]. Ny hoe ''ben'' sy ny hoe ''av'' (na ''ab'') dia mety hanana heviny hoe "sahala amin’ny fanaon’ny". Hisy izany ny "mesia miaritra fijaliana", sahala amin’i [[Josefa]], sy ny "mesia mpandresy" sahala amin’i [[Davida (Baiboly)|Davida]]. Amin’ireo raby jiosy sasany kosa, ny taranaka mifandimby tsirairay dia samy hanana ny mesiany avy.
 
Ny [[jodaisma ortodoksa]] sy ny jodaisma tranainy dia mino ny Mesia ara-nofo izay ho tonga hitondra ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao. Ny [[jodaisma nohavaozina]] kosa dia mampianatra fa hisy vanim-potoana hisian’ny fiadanana sy [[vanim-potoana mesianika]], nefa tsy hisy mesia: ny fiadanana dia vokatry ny fanarenana an’izao tontolo izao (hebreo: ''תיקון עולם'' / ''tikkun olam'') izay avy amin’ny fiezahan'ny rehetra mankany amin’ny fahamarinana ara-piarahamonina, fa tsy asan’olon-tokana. Tsy olon-tokana ny Mesia.
 
== Ny Mesia araka ny fivavahana kristiana ==
Andalana faha-31:
 
=== Fivoasan'ny Kristiana ny Testamenta Taloha ===
Ny fahatongavan’ny Mesia voafidin’Andriamanitra, dia nambara im-betsakaimbetsaka ao amin’ny [[Testamenta Taloha]]. Mampifandray ireo faminaniana ireo amin’i [[Jesosy|Jesoa]] ny Kristiana. Mino ny Kristiana fa i Jesoa no ilay Mesia na Kristy. Ny teny hoe ''Kristy'' (gr.: ''Χριστός'' / ''Khristos,'' "voahosotra") dia dika ara-bakitenin’ny hoe ''mashiakh'' izay ampiasaina ao amin’ny [[Septoaginta]]. Avy amin’ny matoanteny hoe ''χριω'' / ''khriô'' izay midika hoe "manosotra menaka manitra", sahala amin’ny rehefa avy nandro, ny teny hoe ''khristos''. Ny Fanjakan’ilay Mesia niaritra fijaliana, araka ny hita ao amin’ny [[Bokin'i Isaia|Bokin’i Isaia]] (Is. 52 -- 53) dia tsy avy amin’izao tontolo izao. Ny teny grika hoe ''Μεσσίας / Messias'' dia tsy miseho afa-tsy in-droa ao amin’ny Testamenta Vaovao: ao amin’ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Filazantsaran’i Jaona]] (Jao. 1.41 sy Jao. 4.25).
 
Mino ny Kristiana fa voalazan’ny mpaminany ny Mesia hateraka ao [[Betlehema]] (Mika 5.1), hateraky ny zazavavy (na virijina) (Is. 7.14), hatao hoe "Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana" ny anarany (Is. 9.5) sady taranak’i Davida (Salamo 89.4).
Andalana faha-39:
"''Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tànany''." (na: "''Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany''.") (''Ny Baiboly'').
 
=== Filazànan’nyFilazàn’ny Testamenta Vaovao ===
[[Sary:Stefan Lochner - Last Judgement - circa 1435.jpg|vignette|''Ny Fitsarana farany'' - Stefan Lochner - 1435.|285x285px]]
Araka ny voalaza ao amin’ireo [[Filazantsara synoptika|Filazantsara telo voalohany]] ([[Filazantsara araka an'i Matio|Matio]] sy [[Filazantsara araka an'i Marka|Marka]] ary [[Filazantsara araka an'i Lioka|Lioka]]), nambaran’ny [[anjely]] fony izy mbola tany an-kibon’i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] ny maha-Mesia an’i Jesoa (Mat. 1.20-23), toy izany koa tamin’ny [[Fahaterahan'i Jesoa|nahaterahany]] (Lio. 2.9-14) sy tamin’ny fanaovam-[[batisa]] azy (Mar. 1.11). Neken’ireo [[demony]] izany maha-Mesia an’i Jesoa izany (Lio. 4.41) sady ninoan’i [[Petera]] sy i Jesoa tenany koa (Mat. 16.16-17). Ny Filazantsara araka an’i Marka (Mar. 14.61-64) dia mitantara ny naneken’i Jesoa ny maha-Mesia ny tenany sady maneho koa fa izany no antony namonoana azy.
 
Ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsan’i Joany]] dia milaza momba ny hiverenan'i Jesoa indray (Apo. 19.11-13):
 
"11 ''Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany''. 12 ''Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.'' 13 ''Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atao hoe Ny Tenin'Andriamanitra"'' (Apo. 19.11-13).
 
== Ny Mesia araka ny fivavahana silamo ==
[[Sary:Virgin Mary and Jesus (old Persian miniature).jpg|vignette|336x336px|''I Maryam sy i Îsâ'', sary persiana]]''<nowiki/><nowiki/>''
Ao amin’ny [[Finoana silamo|fivavahana silamo]], i Jesoa (arabo: Îsâ) dia tsy inoana ho [[Zanak'Andriamanitra|zanak’Andriamanitra]] na ho Andriamanitra, fa mpaminany lehibe nampianatra ny lalàn’Andriamanitra. Manao an’i Jesoa ho الْمَسِيحُ / ''<nowiki/>'Al-Masih''' ny boky [[Kor'any]], sady manambara ny hiverenany indray ety an-tany amin’ny [[andro farany]].
 
''<nowiki/>''
Andalana faha-57:
“''Tsy hisy ao amin’ireo olon’ny Boky izay tsy hino azy alohan’ny hahafatesany. Ary amin’ny Andron’ny Fitsanganan-ko velona, ho vavolombelona hiampanga azy ireo izy''” (Kor'any 4, an-Nisa: 159).
 
I Tabarî dia manazava fa ny asan’i Jesoa dia manomboka ao [[Damaskosy]] (na Damasy) any Siria-Palestina izay hidinan’i Jesoa avy any an-danitra. I Jesoa dia hamongotra ny [[Antikristy]] (arabo: ''al-Masih ad-Dajjal'' “ny Mesia sandoka”) ao [[Palestina]] eo am-bavahadin’i Loda (izay tsy lavitra ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempolin’i Jerosalema]]); ny asany amin’ny maha Mesia azy dia hanomboka ao Palestina ka hiitatra manerana izao tontolo izao; ka amin'izany,:
 
 
I Tabarî dia manazava fa ny asan’i Jesoa dia manomboka ao [[Damaskosy]] (na Damasy) any Siria-Palestina izay hidinan’i Jesoa avy any an-danitra. I Jesoa dia hamongotra ny Antikristy (arabo: ''al-Masih ad-Dajjal'' “ny Mesia sandoka”) ao Palestina eo am-bavahadin’i Loda (izay tsy lavitra ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempolin’i Jerosalema]]); ny asany amin’ny maha Mesia azy dia hanomboka ao Palestina ka hiitatra manerana izao tontolo izao; ka amin'izany,
 
 
 
"''Ny liona dia hiara-belona amin’ny zanak’ondry nefa tsy haninona azy, ny ankizy hilalao amin’ny menarana nefa tsy hanaikira azy ireo''." (Muslim, ''Les signes de la Fin des Temps'')