Mesianisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-24:
 
=== Mesianisma hindo ===
Manana ny mesia atao hoe ''Kalki'' ny [[Hindoisma|Hindo]].
 
=== Mesianisma bodista ===
Ny [[Bodisma|Bodista]] manaraka ny firehana ''theravāda'' sy ''mahāyāna'' dia manana ny karazana Mesia antsoiny hoe ''Maitreya''.
 
== Mesianisma sy fanafahana politika ==
Nisy ny fihetsiketsehana mesianika izay mampitovy ny fikendrena mesianika sy ny tanjona ara-politika. Tamin'ny taonjato faha-17 dia nisy, tao amin'ny fanjakan'i Kongo voazsanaky ny Portogey, ohatra, lehilahy tao amin'ny sarangan'ny olona ambony atao hoe Kimpa Vita na Dona Béatrice izay nampiditra ny fitantarana kristiana tao amin'ny kolontsaina afrikana sady nanambara niaraka tamin'izay ny famerenana amin'ny laoniny an'io fanjakana io sy ny fiavian'ny taranak'olombelona vaovao.
 
Matetika ny mesianisma manohitra ny Fiangonana, rehefa mifangaro ny fivavahana sy ny politika. Hiata ao amin'ny [[Epistily ho an'ny Tesalonisiana]] izany, izay nanaovan'i [[Paoly (apostoly)|Paoly]] fampitandremana izay izay manana fanahy "mihetsiketsika" na "tataitra" noho ny faminaniana ny ami'ny fahantomotry ny "[[Andron'ny Tompo]]" (na "[[Andron'i Jehovah]]"). I Vatikana koa dia nampitandrina ireo mpiaro ny [[teolojian'ny fanafahana]], izeay mampitovy ny ady ara-panahy amin'ny adin-tsaranga izay nahatonga ny Fiangonana katolika nisaraka tamin'ireo firehana mesianika.
 
== Jereo koa ==