Neoplatonisma : Fahasamihafan'ny versiona roa

k
Category
k (Category)
 
Amin'ny maha mpanelanelana ny fanahin'izao tontolo izao eo anelanelan'ny ''noûs'' sy ny tontolon'ny raha, dia afaka misafidy ny fitehirizana ny maha izy azy manontolo sy ny fahatongalafatry ny sariny ny fanahin'izao tontolo izao, na misafidy ny fahasimbana vokatry ny filàm-pahafinaretana sy ny fahalovana. Izany safidy izany ihany no ananan'ny fanahy tsirairay ao amin'ny dingana ambany. Ny tsy fahalalan'ny fanahin'olombelona (''ψυχὴ'') ny tena fombany (toetrany) sy ny tena maha izy azy dia miteraka fahatsapana fisarahana sy fahaleovan-tena, izay mitarika azy amin'ny fianjonanjonana sy ny fahatokisan-tena be loatra. Araka ny hevitr'ireo filozofa neoplatonisiana dia azo atao mandrakariva ny mamonjy ny fanahy toy izany, indrindra noho io fahalalahan'ny sitrapo izay ahafahany misafidy ny lalan'ny raha io. Ny fanahin'izao tontolo izao dia tokony hampifamadika ny safidiny mba hiverina amin'ireo loharano nipoirany. Izany asa fanakambanana indray izany dia tanteraka amin'ny alalan'ny fahatsapana mistika sady atao hoe "fiovam-piainana".
 
[[Sokajy:Filôzôfia]]
122

modifications