Neôplatônisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Filozofia
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''neoplatonisma''' dia firehana ara-pilozofia sy ara-panahy nampandrosoin'i Plotinosy sy i Porfiriosy sy i Proklosy ary i Jamblikosy (na Iamblikosy) izay niteraka fandraiketana ny fisainan'i [[Platona]].
 
== Foto-pampianarana ==
Araka ny neoplatonisma, ny fototr'izao rehetra izao dia ny Iray, tsiefa, tsy azo fantarina sy tongalafatra. Nyh filozofia dia manao izay hahatongavana any amin'ny Iray amin'ny alalan'ny dialektika araka ny ahafantarana azy ao amin'ny Parmenida nosoratan'i Platona. Miainga amin'ny fehezankevitra fototra hoe "Ny misy dia Iray" ny filozofa neoplatonisiana, avy eo mizarazara an'izany amin'ny fisehony isan-karazany, ary mandinika ny fiantraikan'izy ireo tsirairay sy ny fiantraikan'ny fandavana azy ireo tsirairay.
 
Maro ireo dingam-pisiana mivoaka avy amin'ny Iray. Ny ambony indrindra dia ny noûs ("fanahy") na haranitan-tsaina tsy mifangaro. Avy aminy no nipoiran'ny fanahin'izao rehetra izao, izay nanao asa famoronana niteraka ireo fanahy ao amin'ny dingana ambany, dia ny fanahin'ny olombelona. Ny fanahin'izao tontolo izao dia heverina ho sahala amin'ny sarin'ny noûs, amin'ny maha sarin'ny Iray ny ''noûs''. Na dia mifanalavitra aza ny fanahy ''noûs'' sy ny fanahin'izao tontolo izao dia samy ahitana fiziana tokana, ary miray fiziana amin'ny Iray.
 
Amin'ny maha mpanelanelana ny fanahin'izao tontolo izao eo anelanelan'ny noûs sy ny tontolon-draha, dia afaka misafidy ny fitehirizana ny maha izy azy maniontolo sy ny fahatongalafatry ny sariny ny fanahin'izao tontolo izao, na misafidy ny fahasimbana vokatry ny filàn'ny fahafinaretana sy ny fahalovana. Izany sdafidy izany ihany dia ananan'ny fanahy ao amin'ny dingana ambany. Ny tsy fahalalan'ny fanahin'olombelona ny tena fombany (toetrany) sy ny tena maha izy azy dia miteraka fahatsapana fisarahana sy fahaleovan-tena, izay mitarika azy amin'ny fianjonanjonana sy ny fahatokisan-tena be loatra. Araka ny hevitr'ireo filozofa neoplatonisiana dia azo atao mandrakariva ny mamonjy ny fanahy toy izany, indrindra noho io fahalalahan'ny sitrapo izay ahafahany misafidy ny lalan'ny raha. Ny fanahin'izao tontolo izao dia tokony hampifamadika ny safidiny mba hiverina amin'ireo loharano nipoirany. Izany asa fanakambanana indray izany dia tanteraka amin'ny alalan'ny fahatsapana mistika sady atao hoe "fiovam-piainana".