Fahababoana tany Babilôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-87:
 
Izany vanimpotoana izany no fotoana faratampon'ny faminaniana ao amin'ny Baiboly ao amin'i [[Ezekiela|Ezekiela,]] izay narahin'ny fisandratan'ny anjara asan'ny [[Torah]] teo amin'ny fiainan'ny Jiosy. Araka ny hevitry ny maro amin'ireo mpitsikera hentitra ny tantara dia nosoratana tamin'ny vanimpotoan'ny fahababoana ny Torah sady tamin'izany no nanomboka niheveran'ny Jiosy azy ho soratra manam-pahefana ([[Soratra Masina]]). Io vanimpotoana io koa no nisehoan'ny fiovana teo amin'ny Jiosy izay lasa vondrona ara-poko sy ara-pivavahana afaka misy na tsy manana [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] aza<ref><small>''A Concise History of the Jewish People''. Naomi E. Pasachoff, Robert J. Littma. Rowman & Littlefield, 2005. p. 43</small></ref>.
 
 
 
Izany dia nifanojo amin'ny fisandratan'ny mpanora-dalàna sy ny olonkendry mpitarika ny Jiosy (jereo [[Ezra]]). Talohan'ny fahababoana dia voazara ho foko ny vahoakan'i Israely. Avy eo dia nitsitokotoko ho vondrona madinika isam-pianakaviana izy. Ny [[Fokon'i Israely|foko]]<nowiki/>n'i Levy ihany no nanohy ny anjara asany ao an-Tempoly taorian'ny fiverenana avy any am-pahababoana. Taorian'izany fotoana izany dia nisy Jiosy marobe nonina ivelan'ny tanin'i Israely; teo koa no nanombohan'ny fisian'ny zanaka am-pielezana jiosy (diaspora), afa-tsy hoe efa nanomboka izany tamin'ny famaboan'ny Asiriana an'i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]].