Hasmôneana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Emblem of the Hasmonean dynasty.svg|vignette|268x268px]]
Ny '''Hasmoneana''' dia fianakaviana izay tonga teo amin'ny fitondrana ara-politika sy ara-pivavahana an'i [[Jodea]] (na Jodia) tamin'ny vanimpotoana nisian'ny [[fikomian'ny Makabeo]] natombok'ilay mpisorona avy amin'ny taranak'i Jehojariba (Yehoyarib) tamin'ny taona 168-167 tal. J.K. sady nohateven'ireo [[Jiosy]] atao hoe [[Hasideana]]. Ao amin'ireo boky kristiana dia atao hoe [[Makabeo]] koa ny Hasmoneana. Maty i Matatià iray taona taorian'ny nipoahan'ny fikomiana. Ny zanany lahy atao hoe [[Jodasy Makabeo]] (na Jodà Makabeo), izay tsy lahimatoa, no nandimby an'i Matatià. Maro ny ady natrehin'i Jodasy Makabeo talohan'ny hahazoany indray an'i Jerosalema sy hamerina indray ny fanompoam-pivavahana jiosy ao amin'ny [[Tempoly Faharoa|Tempoly]] tamin'ny taona 164 tal. J.K. I [[Jonatàna Makabeo|Jonatàna]], izay nandimby an'i Jodasy Makabeo, no nisalotra voalohany ny anaram-boninahitra hoe [[Mpisoronaben'i Israely|mpisoronabe]] nandritra ny folo taona teo anelanelan'ny taona 152 sy 142 tal. J.K. Ireto avy ireo Makabeo na Hasmoneana nifandimby taorian'i Jonatàna: