Antiokosy II Teosy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fanamarihana
Andalana faha-4:
Teraka tamin'ny taona 287 ary maty tamin'ny taona 246 tal. J.K. izy. I Stratonike I no reniny. I Laodike I sy i Berenike Sira zanaky ny [[farao]] Ptolemeosy II Filadelfosy no vadiny. Niteraka an'i [[Seleokosy II Kalinikosy|Seleokosy II]] sy i Antiokosy Hieraksa ary i Laodike A izy.
 
Niantso azy hoe Θέος / ''Theos,'' izay midika hoe "Andriamanitra", ny mponin'i Miletosy<ref><small>I Miletosy (grika : ''Μίλητος'' / ''Mílêtos'') dia tanana grika tao Ionia tamin'ny [[Andro Taloha]], izay tao amin'ny morontsiraka atsimo antsinanan'i [[Torkia]] ankehitriny, kilometatra vitsy avaratr'i Balat (tanàna ao Torkia).</small>  </ref> taorian'ny nanafahany azy ireo tamin'ilay mpanjaka jadona atao hoe Timarkosy tamin'ny taona 258 tal. J.K.
 
Rehefa niady tamin'ny farao Ptolemeosy II Filadelfosy, mpanjakan'i Egipta, nandritra ny dimy taona (260-255 tal. J.K.) izy dia azony ny ankabeazan'ny tanin-drainy lasan'ny farao tany aloha. Tamin'ny taona 250 tal. J.K. izy dia niady tamin'ny governeranygovernorany (satrapa) iray tao hoe Diodotosy I Sotera (mpanjaka tamin'ny taona 256 - 235 tal. J.K.), izay nandrombaka ny faritany sirianan'i Baktria (na Baktriana)<ref><small>I Bakrtiana na Baktria (grika: ''Βακτριανὴ'' / ''Baktrianê'') dia faritra nisabaka teo anelabelan'ireto firenena ankehitriny ireto, dia i [[Afganistana|Afganistàna]] sy i [[Tadjikistàna]] ary i [[Ozbekistana|Ozbekistàna]].</small></ref>. Taorian'izay dia lasan'ny fahavalony koa ny faritanin'i Partia<ref><small>I Partia (grika: ''Παρθία'' / ''Parthia'') dia faritra tamin'ny [[Andro Taloha]] tao avaratra antsinanan'ireo havoana iraniana.</small></ref>.
 
Tamin'ny taona 246 tal. J.K. tany Efesosy<ref><small>I Efesosy (na Efezy na Efeso) (grika: ''Ἔφεσος'' / ''Éphesos'' ) dia iray amin'ireo tanàna grika lehibe tao Azia Minora, tao akaikin'ny tanànan'i Izmir ao [[Torkia]] ankehitriny.</small></ref> i Antiokosy II no maty ka ny lahimatoany [[Seleokosy II Kalinikosy|Seleokosy II]] no nandimby azy.
 
== Loharano sy fanamarihana ==