Antiokosy III Megasy : Fahasamihafan'ny versiona roa

Nanisy rohy
(Nanisy sary)
(Nanisy rohy)
Lasa firenena nanompo azy i Partia sy i Baktriana ary niady amin'ny farao Ptolemeosy V izy. Azony i [[Palestina]] iray manontolo sy i [[Libàna tamin'ny Andro Taloha|Libàna]] tamin'ny taona 198 tal. J.K. Taty aoriana dia niady tamin'ny Romana izay nandresy azy tamin'ny taona 191 tal. J.K. tao Termopily sy tamin'ny taona 190 tal. J.K. tao Magnesia (na Manezia) izy. Lasan'ny Romana ny tany nofeheziny tao andrefan'i Taorosy sady nandoa hetra tamin'ny Romana izy. Namerina ny faritry ny fanjakana seleokida i Antiokosy III tamin'ny fiantombohan'ny fanapahany nefa nihena ny heriny tany atsinanan'ny [[Ranomasina Mediteranea]].
 
Saika handroba ny herena ao amin'ny tempoly tao Elmaida i Antiokosy III, mba handoavany onitra hono, nefa nikomy ny mponina tao amin'io tanàna io ka namono azy tahaka ny famono jiolahy tamin'ny taona 187. I [[Seleokosy IV Filopatora|Seleokosy IV]] no nandimby azy teo amin'ny ftondrana.
26 795

modifications