Antiôkôsy III Megasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Seleokida
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Antiochos III coin cropped.jpg|vignette|259x259px|Antiokosy III]]
I '''Antiokosy III Megasy''' dia mpanjaka [[seleokida]] nanapaka an'i Siria tamin'ny taona 223 hatramin'ny 187 tal. J.K. izay nandimby ny rahalahiny [[Seleokosy III Sotera|Seleokosy III]].
 
Ny mpanjaka [[Seleokosy II Kalinikosy|Seleokosy II]] no rain'i Antiokosy III. Teraka tamin'ny taona 242 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Laodike II no reniny ary i Laodike III no vadiny. Niteraka an'i Seleokosy IV, i Antiokosy IV, i Lodike[[Laodike IV]] (izay vady nifandimbiasan'ny anadahiny telo), i Kleopatra I (izay lasa mpanjakavavin'i Egipta taty aoriana) ary i Antiokisy III izy.
 
Lasa firenena nanompo azy i Partia sy i Baktriana ary niady amin'ny farao Ptolemeosy V izy. Azony i [[Palestina]] iray manontolo sy i [[Libàna tamin'ny Andro Taloha|Libàna]] tamin'ny taona 198 tal. J.K. Taty aoriana dia niady tamin'ny Romana izay nandresy azy tamin'ny taona 191 tal. J.K. tao Termopily sy tamin'ny taona 190 tal. J.K. tao Magnesia (na Manezia) izy. Lasan'ny Romana ny tany nofeheziny tao andrefan'i Taorosy sady nandoa hetra tamin'ny Romana izy. Namerina ny faritry ny fanjakana seleokida i Antiokosy III tamin'ny fiantombohan'ny fanapahany nefa nihena ny heriny tany atsinanan'ny [[Ranomasina Mediteranea]].