Seleokosy I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-10:
|taona niasàna=
}}
I '''Seleokosy I Nikatora''' dia mpanjakan'i Siria tamin'ny taona 301 tal.J.K. hatramin'ny taona 280 tal. J.K. Niantomboka taminy ny fianakavia-mpanjaka atao hoe [[Seleokida]].

Teraka tamin'ny taona 358 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 280 tal. J.K. I Antiokosy no rainy ary i Laodike no reniny. I Apama sy i Stratonike I no vadiny. Niteraka an'i [[Antiokosy I Sotera]] sy an'i Akaiosy I ary i Fila I izy.
 
Talohan'ny naha mpanjaka azy dia mpitari-tafika (jeneraly) niaraka tamin'i [[Aleksandra Lehibe]] izy izay nahazo anjara tamin'ny fizaràna ny faritra nanjakan'i Aleksandra tamin'ny taona 321 tal. J.K. taorian'ny nahafatesan'itsy farany. Nanjary governoran'i [[Babilona]] izy sy mpanjakan'i Babilonia izy tamin'ny taona 312 tal. J.K.
Ligne 17 ⟶ 19 :
 
Nanorina tanàn-dehibe maro izy, ka isan'izany i [[Antiokia]] (na Antioka) sy ny tanàna hafa nampitondraina ny anarany toa an'i Seleokian'i Tigra sy i Seleokian'i Pieria. Nampanamboatra vola koa izy.
 
Rehefa maty i Seleokosy tamin'ny taona 280 tal. J.K. dia i [[Antiokosy I Sotera]] zanany no nandimby azy.
 
<br />
 
*