Boky fahatelon' ny Makabeo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Boky fahatelon'ny Makabeo''' dia boky ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika atao hoe [[Septoaginta]] na [[Septanta]]. Manakilasy nan'io boky io ho isan'ny boky [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]] ny Katolika ary ny Protestanta manasokajy azy ho [[Pseodepigrafa (protetantisma)|pseodepigrafa]]. Hita ao amin'ny [[Baiboly ortodoksa]] ny Boky fahatelon'ny makabeoMakabeo.
 
== Fanoratana ==
Nosoratana tamin'ny [[fiteny grika]] tamin'ny taonjato voalohany tal. J.K. io boky io ary mitantara ny zava-nitranga tamin'ny taonjato fahatelo tao Jerosalema sy tao Aleksandria.
 
== Votoatiny ==
I Ptolemeo IV Filopatora, rehefa avy nandresy tao Rafia ao [[Jodea]] (na Jodia), dia nanao izay hidirany tao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] tao Jerosalema na dia nanohitra izany ny [[Jiosy]] tao. Noho ny vavaka nataon'i Simona mpisoron-dehibe dia niditra an-tsehatra Andriamanitra ka namely an'i Filopatora, izay nanafoana ny fikasany ka nody tany Aleksandria. Noho ny hatezerany dia maro ireo lalàna noforoniny hamelezany ny Jiosy tao Ejipta sy an'ireo natao sesitany tany Aleksandria. Taorian'ny fanandramana handripaka ny Jiosy sy ny fiarovan'Andriamanitra ny Jiosy dia tsy nieritreritra intsony ny hanatanteraka ny fikasany izy.