Mpampiana-dalàna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''mpanoradalana''' dia vondron'olonkendry niasa nandritra ny vanimpotoan'ny [[Tempoly Faharoa]]. Ny vanimpotoana niasany dia mety nandritra ny an'ny Fivoriam-be izay niantomboka tamin'ny andron'i [[Ezra]] na Esdrasa, izay sady lohan'ny mpanoradalana no filoha voalohan'ny Fivoriam-be, ka nifarana tamin'ny andron'i Simona ilay Marina. Ny anjara asan'izy ireo dia ny mamaky eo anatrehan'ny vahoaka ny [[Tanakh]] sady manazava izany. Atao hoe סופרים / ''Soferim'' izy ireo amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]].
 
Ny mpanoradalàna tamin'ny voalohany dia ireo mpanapompanao dika mitovy ny bokin'ny Lalàna ([[Torah]]) na mpitantsoratra, nefa niova miandalana ho mpitantsoratry ny tanàna na mpitantsora-panjakana izany taty aoriana. Olona mivelona amin'ny fanoratana ny mpanoradalàna izay matetika manao fivoasana ara-bakiteny ny Lalàna sady nampifantoka ny asany tamin'ny fandinihana ny [[Soratra Masina]]. Misy ny mpanoradalàna fariseo sy ny mpanoradalàna sadoseo ka tsy mitovy no matetika mifanohitra ny fomba fanaovany fivoasana ny Lalàna sy ny fitsipika ao amin'ny fivavahana sy fiarahamonina jiosy. Taorian'ny faharavan'ny [[Tempoly Faharoan'i Jerosalema]] dia ny mpanoradalàna no lasa nitahiry ny [[fivavahana jiosy]].
 
== Jereo koa ==