Askenazy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Askenazy''' dia iray amin'ireo fizaràna lehiben'ny [[Jiosy|vahoaka jiosy]] izay navahana noho ny toerana niaviany sy ny fombam-pivavahana aman-kolontsaina arahiny. Ny vahoaka jiosy maro anisa manampy an'io dia ny [[Sefarada]].
 
Ny teny hoe ''Askenazy'' dia nampiasaina tamin'ny [[Andro Antenantenany]] mba hanondroana ny vahoaka jiosy nonina tao [[Eoropa Avaratra]], avy any [[Eoropa Afovoany|Afovoany]] ka hatrany [[Eoropa Atsinanana|Atsinanana]] ary koa anondroana ny taranany na dia tsy mipetraka amin'ireo faritra ireo aza. Tamin'ny taonjato faha-10 no nampiasana voalohany ny anarana hoe ''Askenazy'' hanondroana an'i [[Alemaina]] izay nanombohan'ny vondrom-bahoaka jiosy maro niorim-ponenana. Rehefa noroahina sy nenjehina ny Jiosy askenazy dia nifindra fonenana mankany atsinanana, any [[Polonia]] sy any [[Litoania]] ary any [[Rosia]] tamin'ny taonjato faha-15 sy faha-16. Maro amin'ny Jiosy askenazy ny nifindra monina any [[Amerika Avaratra]] sy tany [[Isiraely|Israely]] tamin'ny taonjato faha-19 sy faha-20. Miteny amin'ny fiteny jodeo-alemàna atao hoe [[fiteny idisy]] ny Askenazy.