Tsy fisian-diso ao amin' ny Baiboly: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy loharano
Andalana faha-4:
 
== Tantara ==
Nanomboka tamin'ny teonjato faha-15 dia tsy nanamarina ny filazana maro ao amin'ny Baiboly ny zavatra hitan'ny siansa ka natahorana hanala fahefana ny Baiboly. Tamin'ny taonjato faha-16 dia niteraka ahiahy momba ny fahamarinana ara-tantaran'ny zavatra sasany voalazan'ny Baiboly koa ny fikarohana momba ireo teny fototra nanoratana ny Baiboly. Ireo [[Fiangonana protestanta]] anefa dia nanamafy ny maha vokatry ny tsindrimandrin'Andriamanitra sy ny tsy fisiam-pahadisoana ao amin'ny Baiboly. Ny [[Eglizy katolika romana]] kosa nanana ny heviny manokana izay tsy somary hafa noho izany satria tamin'ny Konsily natao tao Tredento dia nilaza izy fa ny fivoasana ny Soratra Masina dia tokony ampandalovina koa amin'ny lovam-pinoana masina niampitampita hatramin'ny Apostoly ary ny lovam-pinoana no manapaka ny heviny tokony homena izay voalaza ao amin'ny Baiboly<ref><small>Yves (1)Chiron, ''Histoire des conciles'', Perrin, 2011, <abbr>p.</abbr> 192-193.</small></ref>.
 
Tamin'ny taona 1670 i Spinoza dia namoaka ny bokiny mitondra ny lohateny hoe ''Tractatus theologico-politicus'' izay nanindrahindrany ny tokony hanalehibeazana ny fahalalahan'ny fieritreretana, ka tsy amin'ny filozofia politika ihany izany fa mahakasika koa ny fivoasana ny Baiboly. Teo an-kilany koa dia nanoratra ilay boky atao hoe ''Histoire critique du Vieux Testament'' i Ricgard Simon tamin'ny taona 1678 izay niteraka fahatezeran'ny Fiangonana.
 
Vokatry ny fandrosoan'ny tsikera ara-tantara ny lahatsoratry ny BaiblyBaiboly tao amin'ireo teolojiana alemàna dia teraka ny tsy nitsaha nitombo ny tsy fitovian-kevitra momba ny [[Soratra Masina]] nandrita ny taonjato faha-19, ka tao Eoropa noniantombhan'izany nefa nahazo koa an'i Etazonia taty aoriana.
 
Tamin'ny taona 1814 i William Van Mildert, izay ho lasa evekan'i Durham, raha nanambara ny zavatra itovizan'ny maro hevitra aotao Britaina Lehibe, dia nilaza fa ny saina dia tsy afaka hitsara ny tsindrimandrin'Andriamanitra voarakitra ao amin'ny Baiboly. I Coleridge, izay mahalala ny fanoherana ara-tantara sy ara-jeografia ary ara-pitondran-tena ny Baiboly nefa niaro ny Soratra Masina sy ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandry]], dia nanolotra fomba fiasa hafa tanteraka noho ny an'ny manampahaizana na ny avara-pianarana britanika nefa taty aoriana izany vao nisy akony.
 
Teo antenantenan'ny tanjatotaonjato faha-19 dia velona indray ny adihevitra tao Britaina Lehibe noho ny fanontaniana napetrak'ireonapetraky ny siansan'ny zavaboary. Isan'izany ireo boky voasoratra sahala amin'ny ''The Vestiges of the Natural History of Creation'' nosoratan'i R. Chambers tamin'ny taona 1844, ny ''On the Origin of Species'' nosoratan'i Charles Darwin tamin'y taona 1859<ref><small>Frédéric Slaby, [https://journals.openedition.org/lisa/1242 "Présentation d’une controverse : les Écritures face à la critique biblique au XIXe siècle en Grande-Bretagne"], (2[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Flisa.revues.org%2F1242 Tahiry]) Revue LISA/LISA e-journal [Online], Vol. V - <abbr>no</abbr> 4 | 2007, Online since 01 September 2009</small></ref>.
 
== Ny hevitry ny fiangonana protestanta sy ny evanjelika ==
 
=== Ny fiangonana potestanta ===
Tamin'ny [[fanavaozam-piangonana protestanta]] no nanambaran'i [[Martin Lotera]] ny maha ivon'ny finoana ny Baiboly<ref><small>Hans J. Hillerbrand, ''Encyclopedia of Protestantism: 4-volume Set'', Routledge, USA, 2016, p. 377</small></ref> izay hita taratra sady fintininy amin'ny teny latina hoe ''[[Sola scriptura|Sola Scriptura]]''. Ny Protestanta mpitahiry ny mahazatra dia mametraka ny Baiboly, amin'ny maha Tenin'Andriamanitra azy, ho tsy misy diso. Ny Protestanta mandala ny fahalalahana (liberaly) kosa anefa manana ny heviny manokana izay tsy mitovy tanteraka amin'izany.
 
=== Ny fiangonana evanjelika ===
Amin'ny [[Evanjelisma|Kristiana evanjelika]] dia avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra ny Baiboly sady izy no fahefana fara tampoy amin'ny finoana kristiana<ref><small>Michel Deneken, Francis Messner, Frank Alvarez-Pereyre, ''La théologie à l'Université: statut, programmes et évolutions'', Editions Labor et Fides, France, 2009, pp. 66-67</small></ref>. Amin'ny maha Tenin'Andriamanitra sy Soratra Masina ny Baiboly dia mihevitra ny fangonana evanjelika maro fa tsy mety diso ny Baiboly, ary ny sasany dia milaza fa tsy ahitana fahadisoana mihitsy io boky io<ref><small>Got Questions Ministries, [http://www.gotquestions.org/Francais/Infaillibilite-Bible.html "Pourquoi est-il si important de croire en l’infaillibilité de la Bible ?"] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.gotquestions.org%2FFrancais%2FInfaillibilite-Bible.html tahiry]], Site web officiel, USA</small></ref>. Izany no mahatonga ny Baiboly hanaovana fivoasana ara-bakiteny ao amin'ny firehana evanjelika sasany, indrindra ao amin'ireo mpandala loatra ny mahazatra, dia ireo atao hoe fondametalista. Ny Baiboly no tompon'ny fahefana fara tampony amin'ny resaka finoana sy fitarihana ny fiainan'ny mpino<ref><small>Samuel S. Hill, ''The New Encyclopedia of Southern Culture: Volume 1: Religion'', University of North Carolina Press, USA, 2006, p. 17</small></ref>. Boky mpanoro lalana amin'ny lafim-piainana rehetra ny Baiboly<ref><small>Sébastien FATH, ''Encyclopædia Universalis'', [http://www.universalis.fr/encyclopedie/evangelisme-et-eglises-evangeliques/ "Evangéisme et Eglises évangéliques"] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.universalis.fr%2Fencyclopedie%2Fevangelisme-et-eglises-evangeliques%2F tahiry]], Site web officiel, France</small></ref>.
 
== Loharano ==