Soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty''', izay atao hoe s'''oratanam-piraketan'i Komràno''', dia fitambarana horonan-tsoratra natao tanana amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] sy amin'ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] izay hita teo anelanelanny taona 1947 sy 1956 tanaty zohy miisa 11 tao amin'ny tendro avaratra andrefan'ny [[Ranomasina Maty]] ao amin'ny faritr'i [[Komràno]] any Jordania. Tamin'ny hoditra na tamin'ny [[taratasy zozoro]] (papiry) no nanaovana ireo soratanana ireo izay miisa 900 any ho any, ny sasany voatahiry tsara fa ny hafa efa misy fahasimbana, ka heverina fa sekta tao amin'ny fivavahana jiosy atao hoe [[Eseniana]] no nitahiry azy ireo.
 
Ireo horonan-tsoratra ireo dia ahitana misy horonana torolalana amin'ny fitsipi-pifehezana, fihirana, fivoasana ny [[Baiboly hebreo]] ary [[Literatiora apokaliptika|lahatsoratra apokaliptika]] maro, ka isan'izany ny ampahany lehibe saika izy manontolo amin'ny fandikana ny [[Bokin'i Isaia]] tranainy indrindra (izay ahitana takela-koditra miisa 17 nozairina mitohy ka manana halavana 7,34m), sy sombiny maro amin'ny bokin'ny [[Testamenta Taloha]], afa-tsy ny [[Bokin'i Estera]]. Nahitana lahatsoratra amin'ny fiteny fototra amin'ny boky sokajina ho [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]] sy [[Pseodepigrafa (Baiboly)|pseodfepigrafa]], izay tsy tafiditra ao amin'ny [[Soratra Masina|Soratra Masin]]'ny [[jodaisma]] tao, ka isan'izany ny [[Bokin'i Tobia]], ny [[Bokin'i Siràka]], ny [[Bokin'ny Jobily]], andalana maro amin'ny [[Bokin'i Henoka]] aty ny [[Testamentan'i Levy]], izay tsy fantatra ao amin'ireo dikan-teny grika sy siriaka sy latina ary etiopiana.
 
== Tantaran'ireo soratanam-piraketana ==
 
=== Fotoana nanoratana ny soratanana ===
 
=== Mpanoratra ===
 
=== Fotoana nanafenana ny soratanana ===
 
=== Tantaran'ny fahitana ny soratanam-piraketana ===
Araka ny fanadihadiana nataon'i John C. Trever izay nanontany ny mponina ao amin'ny fokon'ny Tammireh tamin'ny taona 1960, dia zazalahy mpiandry biby fiompy bedoina 15 taona atao hoe Muhammed edh-Dhib Hassan, izay nitady ny osiny very tamin'ny lohataon'ny 1947, no nahita siny tanimanga lehibe izay nahitany horonan-koditra voatahity tsara, mifono lamba vita amin'ny rongony.
 
Taty aoriana dia nianga ny mpikaroka nitady ka nahita tahirin-tsoratra betsaka hafa koa. Nentina tany amin'ny mpivarotra rakitry ny ela tao Betlehema, atao hoe Ibrahim 'Ijha, aloha ireo horonan-tsoratra ireo. Ny zohy sy ireo izay hita taty aoriana dia ao amin'ny ilany misolampy sady karankaina amin'i Komràno, eo amin'ny ilany avaratra andrefan'ny Ranomasina Maty, ka tena sarotra ny hiakarana eny. Nahalala ny lanjan'ireo horonan-tsoratra ireo i Eleazar Sukenik sy ny zanany lahy atao hoe Yigael Yadin ka afaka nandresy lahatra ny Fanjakana Israeliana hividy iro soratanana efa namidy tamin'ny taona 1954. Hatramin'ny taona 1951 ka hatramin'ny taona 1956 dia nankinin'ny Sampam-pahaizana momba ny Ralitry ny Ela Jordaniana tamin'i Roland de Vaux izay mpikambana ao amin'ny Sekoly biblika sy arkeolojika frantsay anyJerosalema (École biblique et archéologique française de Jérusalem) ny fangadiana sy ny fisavana ny toeram-pikarohana arkeolojikan'i Komràno. Tamin'izany fikarohana izany no nahitana soratanana an-jatony, indrindra tao amin'ny zohy faha-4.
 
Tamin'ny volana Febroary 2017 dia nanambara ny arkeologa ao amin'ny Oniversite hebreo fa nisy zohy miisa 12 eo hita indray izay miaty siny tany maro vaky sy saika tsy misy na inona na inona. Mety tany amin'ny taona 1950 no nitrangan'ny fandrobana satria nisy fitaovam-pangadiana vy tamin'izany fotoana izany hita teo.
 
== Zavatra hita tao amin'ireo soratanana ==