Soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''Soratanamsoratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty''', izay atao hoe s'''Soratanamoratanam-piraketan'i Komràno''', dia fitambarana horonan-tsoratra natao tanana amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] sy amin'ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] izay hita teo anelanelanny taona 1947 sy 1956 tanaty zohy miisa 11 tao amin'ny tendro avaratra andrefan'ny [[Ranomasina Maty]] ao amin'ny faritr'i [[Komràno]] any Jordania. Tamin'ny hoditra na tamin'ny [[taratasy zozoro]] (papiry) no nanaovana ireo soratanana ireo izay miisa 900 any ho any, ny sasany voatahiry tsara fa ny hafa efa misy fahasimbana, ka heverina fa sekta tao amin'ny fivavahana jiosy atao hoe [[Eseniana]] no nitahiry azy ireo.
 
Ireo horonan-tsoratra ireo dia ahitana misy horonana torolalana amin'ny fitsipi-pifehezana, fihirana, fivoasana ny [[Baiboly hebreo]] ary [[Literatiora apokaliptika|lahatsoratra apokaliptika]] maro, ka isan'izany ny ampahany lehibe saika izy manontolo amin'ny fandikana ny [[Bokin'i Isaia]] tranainy indrindra, sy sombiny maro amin'ny bokin'ny [[Testamenta Taloha]], afa-tsy ny [[Bokin'i Estera]]. Nahitana lahatsoratra amin'ny fiteny fototra amin'ny boky sokajina ho [[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]] sy [[Pseodepigrafa (Baiboly)|pseodfepigrafa]], izay tsy tafiditra ao amin'ny [[Soratra Masina|Soratra Masin]]'ny [[jodaisma]] tao, ka isan'izany ny [[Bokin'i Tobia]], ny [[Bokin'i Siràka]], ny [[Bokin'ny Jobily]], andalana maro amin'ny [[Bokin'i Henoka]] aty ny [[Testamentan'i Levy]], izay tsy fantatra ao amin'ireo dikan-teny grika sy siriaka sy latina ary etiopiana.
Andalana faha-6:
Ireo boky torolalana momba ny fitsipi-pifehezana dia milaza fa ny antokom-pivavahana jiosy tao Komràno dia sahala amin'ny Tranon'i Israely izay natao hanomana ny lalana halehan'ny fiavian'ny [[Fanjakan'Andriamanitra]] sy ny [[andron'ny fitsarana]]. Ity antokom-pinoana ity dia nalamina mifanaraka amin'ny firafetan'i Israely tamin'ny andron'i [[Mosesy]] (na Môizy).
 
Ny mpino ao amin'io antoko io dia mandalo fotoam-pizahan-toetra maharitra roa na telo taona alohan'ny hametrahana azy amin'ny ambaratongam-pahadiovana tandrify ny toetrany. Ny fandrosoana na ny fihemorana amin'izany dingana izany dia anaovana fifidianana amin'ny fivoriana isan-taona. Ny fitarihana ara-panahy dia ankinina amin'ny pretra telo izay ampian'ny loholona ("antidahy") tsotra roa ambin'ny folo, ary ny antokom-panapahan-kevitra tsirairay dia tantanan'ny tomponandraikitra mitovitovy sata amin'ny eveka. Ireo tompnandraikitra ireo dia eo ambany fahefan'ny arseveka na andriandahy iray. Ny fandalinana ny [[Lalàn'i Mosesy|Lalàna]] ([[Torah]]), izay fizaràna voalohany ao amin'ny [[Soratra Masina]], dia zavatra tsy maintsy atao ary ny fivoasana azy marina dia nampitaina amin'ny alalan'ny mpampianatra ara-panahy atao hoe "mpanao heviteny marina" na "tompon'ny fahamarinana". Ny vanimpotoana isian'ilay antokom-pivavahana dia mifarana amin'ny fiavian'ny mpanao fivoasana sy mpaminany vaovao, araka ny [[Bokin'ny Deoteronomia]] (Deo. 18.18). Ahitana toromarika momba ny ady farany hifanaovan'ny "zanaky ny fahazavana" sy ny "zanaky ny fahamaizinana" ny iray amin'ny soratanana.
 
Ny fifanahafana eo amin'ny finoana sy ny fanao resehina ao amin'ny soratanam-piraketana sy ireo izay lazain'i [[Filo avy any Aleksandria]] sy i [[Flavio Josefa]] fa an'ny [[Eseniana]], dia mahatonga ny mpikaroka maro hihevitra fa io antokom-pinoana jiosy tao Komràno io dia manam-pifandraisana amin'ny Eseniana. Hamafisin'ny asasoratra nataon'i [[Plinio Zokiny]] izany fampitovizana iteo sekta roa ireo izany, dia i Plinio izay nitatitra fa nonina tao amin'ny faritr'i Kirbeta Komràno ny Eseniana. Ny mpanoratra sasany dia manantitra ny fahasamihafan'ny sekta tao Komràno sy ny Eseniana ka mihevitra fa samy hafa nefa misy fitoviana fotsiny izy roa tonta ireo fa tsy zavatra tokana.
Andalana faha-13:
 
=== Lanja ara-tantaran'ireo soratanana ===
Manana ny lanjany amin'ny lafiny tantara ny Soratanamsoratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty noho izy ireo miteny ankolaka ny olona sasany sy ny zava-mitranga sasany izay mifanandrify amin'ny vanimpotoana nielezan'ny kolontsaina grika sy amin'ny fiantombohan'ny vanimpotoana najakan'ny Romana teo amin'ny tantaran'ny [[Jiosy]].
 
Ny mpanao hevitenin'ny [[Bokin'i Nahoma]] iray, ohatra, dia miresaka momba ny olona anankiray atao hoe Demetriosy ary hoatry ny miresaka ankolaka ny zava-nitranga tamin'ny taona 88 tal. J.K. noraiketin'i [[Flavio Josefa]] an-tsoratra izany. Miresaka momba ny mpanjakan'i Siria atao hoe Demetriosy III sy an'i [[Aleksandro Janeo]] izay mpanjaka [[hasmoneana]] izy.
Andalana faha-21:
Nisy ny fiezahana hampifandray ny firesahana ankolaka momba ilay "mpisoroa ratsy" sy ilay "hehilahin'ny lainga" amin'ny olona malaza tahaka ny mpisoronabe jiosy Menelasy izay nanimbazimba zava-masina, i [[Antiokosy IV Epifanesy]] mpanjakan'i Siria, i [[Joany Hirkano I]] lehiben'ny Makabeo ary i Aleksandro Janeo. Izany fampifandraisana rehetra izany dia vonjimaika ihany ary ny hevitry ny manampahaizana dia tsy mitovy ny amin'izany.
 
Ireo soratanan'ny bokin'ny Baiboly hita ao amin'ireo horonan-tsoratra ireo dia ahitana lahatsoratra voadika efa taonjato maro tany aloha raha mitaha amin'ny lahatsoratra ao amin'ny [[Masorah|Masora]] sady manamarina matetika ny fandikan-teny ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika, ny [[Septoajinta]], sy ny dikan-teny hafa tranainy. Noho izany dia fitaovana saro-bidy amin'ny fahazoana ny lahatsoratra niandohana tamin'ny fadikana ny Soratra Masina jiosy ieo soratanana ireo.<br />
 
=== Lanja eo amin'ny fikarohana momba ny Baiboly ===
Ireo finoana sy fanao resanika ao amin'ny soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty ireo dia hita ao amin'ireo soratra [[apokrifan'ny Baiboly]] sy ny soratra [[Pseodepigrafa (Baiboly)|pseodepigrafa]]<nowiki/>n'ny [[Testamenta Taloha]], ary amin'ny ampahany tranainy indrindra ao amin'ny [[Talmoda]]. Ankoatra izany, ny fisian'ny soratra mitovy votoatiny amin'ny fiheverana iraniana dia maneho fa naka singa maro tamin'ny kolontsaina iraniana ny finoana sy ny kolontsaina jiosy nandritra ny fotoana lava teo anelanelan'ny fanoratana ny Testamenta Taloha sy ny [[Testamenta Vaovao]].
 
Ny fifandraisana misy eo amin'ny fiheverana ao amin'ireo soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty sy ny lohahevitra raketin'ny Testamenta Vaovao dia misy lanjany lehibe. Samy manindry ny fahantomotry ny [[fanjakan'Andriamanitra]], samy manantitra ny tokony hibebahana haingana ary matoky ny faharesen'ny fanahin'ny faharatsiana na ny andaniny na ny ankilany.
 
Ireo amboaram-tsoratra roa ireo dia samy miresaka ny amin'ny [[batisa]] (na batemy) ao amin'ny [[Fanahy Masina]], ny filazana ny mpino hoe "voafidy" sy "zanaky ny fahazavana" na "zanaky ny mazava" ao amin'ny [[Baiboly kristiana]]. Ohatra amin'izany ny hita ao amin'ny [[Epistily ho an'i Titosy|Epistily ho an'i Tito]] (Tito 1.1), ny [[Epistily nosoratan'i Petera]] (Pet. 1.2) ary ny [[Epistily ho an'ny Efesiana]] (Efes. 5.8). Ireo fitoviam-pomba fijery ireo dia vao mainka manaitra satria niaina tamin'ny vanimpotoana mitovy sy tamin'ny faritra iray i [[Joany Batista]] sy ny antoko jiosy tao Komràno, izay samy nanambara mialoha ny finoan'ny kristiana izay nanaraka avy tao aoriana.
 
Na dia ahitana votoatiny mampahatsiahy ny fiheverana kristiana aza ny soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty dia misy ny foto-pampianarana kristiana tsy hita ao amin'ireo soratanana ireo, ka ohatra amin'izany ny [[Fahatongavana ho nofo|fahatongavan'Andriamanitra ho nofo]] sy ny famonjena amin'ny alalan'ny [[hazo fijaliana]].