Mpisorona jiosy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Jodaisma
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 26 Aogositra 2019 à 08:41

Ny mpisorona dia mpitondra fivavahana ao amin'ny fivavahan'ny Israelita fahiny sy ny Jiosy izay natokana hanatanteraka ny fanompoana ao amin'ny Tempoly ka olona nofidina avy amin'ny taranak'i Aarona izy ireo raha hatao mpisoronabe fa avy amin'ny fokon'i Levy kosa raha hatao mpisorona madinika. Izy ireo no misahana ny fanaovana sorona, ny fampianarana ny Lalàn'i Mosesy amin'ny vahoaka, ny fandaminana ny fotoam-pivavanana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema. Rehefa rava ny Tempoly Faharoa sy i Jerosalema tamin'ny taona 70 taor. J.K. dia tsy nisy intsony ny mpisorona sy ny asam-pisoronana eo amin'ny fivavahana jiosy.