Talmoda: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-5:
Misy karazany roa ny Talmoda, dia ny [[Talmodan'i Palestina]] sy ny [[Talmodan'i Babilona]]. Ikambanan'ireo endrika roan'ny Talmoda ireo ny Misnà, nefa samy manana ny Gemaràny izy roa ireo. Ny Talmodan'i Palestina, izay atao hoe koa [[Talmodan'i Jerosalema]], dia nosoratan'ny manampahaizana jiosy tao Palestina teo anelanelan'ny tanonjato faha-3 taor. J.K. sy ny fiantombohan'ny taonjato faha-5. NyTalmodan'i Babilona dia vita soratra tamin'ny taonjato faha-5. Izy no lasa soratra manam-pahefana noho ireo sekolin'ny raby tany Babilona tsy ravan'ny zava-niseho rehetra mandritra ny taonjato maro, raha miohatra amin'ny an'i Palestina.
 
Ny Talmoda, amin'ny hevitra mifintin'io teny io, dia ireo asa soratry ny manampahaizan'ny Talmoda, sy ny fivoasana ataony dia fandraisanana anjara lehibe indrindra amin'ny literatioran'ny raby teo amin'ny tantaran'ny [[jodaisma]]. Isan'ny malaza indrindra ilay atai hoe ''Mishna Torah'' nosoratan'ilay raby sy filozofa ary dokotera jiosy espaniola atao hoe Mimonida. Famintinana ny literatiora rabinika momba ny lalàna tamin'ny androny izany. Ny fivoasana fantatra indrindra dia ny an'ny Talmodan'i Babilona izay fantatra noho ny asan'ny raby atao hoe [[Shlomo ben Itzhak na Rashi]] sy ireo manampahaizana jiosy atao hoe ''tosapista'' izay niaina tao Frantsa sy tao Alemaina teo anelanelan'ny taonjato faha-12 sy faha-15, ka isan'izy ireo ny zafikelin'i Rashi.