Joany Hirkano I: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Joany Hirkano ho Joany Hirkano I i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
I '''Joany Hirkano I''' dia zanaka lahin'i [[Simona Makabeo]] sady mpandimby azy, izay nanapaka teo anelanelan'ny taona 134 sy 104 tal. J.K. Izy no faralahin'i Simona izy nandimby azy tamin'ny andraikiny talohan'ny nitakian'ireo mpanohitra azy an'izany andraikitra izany. Nanafaka an'i [[Jodea]] (na Jodia) tamin'ny fangejan'ny Siriana i Joany tamin'ny alalan'ny fandefasana tafika hiady amin'ny tafik'i Siria i Joany Hirkana. Nanitatra ny veleran-tany notapahiny izy ka isan'izany ny faritanin'i [[Idomea]], ny faritanion'i [[Samaria]], ny ampahan-tanin'i [[Galilea (faritra)|Galilea]] (na Galilia) ary ny tany ao atsinanan'i [[Jordana (ony)|Jordàna]]. Nanjanaka an'ireo faritra ireo izy sady nanery ny ankamaroan'ny mponina tao aminy hanaraka ny fivavahana jiosy, dia ny [[jodaisma]] izany. Na dia tsy nanao ny tenany ho mpanjaka aza i Joany dia nanapaka tanaty lapa ka nanao ny tenany ho [[mpisoronabe]] sy lohan'ny vahoaka jiosy sady nanamboatra vola nisy ny sariny. Nankasitraka zavatra sasany tamin'ny kolontsaina grika izy ka maneho izany ny nanovany ny anarana hebreon'ny zanany lahy ho anarana grika. Ny fihatahany tamin'ny tanjon'ireo [[Hasmoneana]] voalohany dia niteraka fanoherana avy amin'ny ampahan'ny vahoaka izay nantsoina amin'ny anarana hoe [[Fariseo]] (na Farizianina) taty aoriana.
 
Maty tamin'ny taona 104 i Joany Hirkano.