Jodasy Makabeo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
Atao hoe יהודה המכבי / ''Yehudah ha-Makabi'' izy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]].
 
Tamin'ny volana Desambra taona 165 tal. J.K. izy dia nitarika ny tafiny hatrany Jerosalema ka nahazo ny Tempoly izay efa nampiasaina hanompoana ireo andriamanitra grika nandritra ny telo taona teo aloha, ka nanao fanadiovana ny Tempoly sady namerina indray ny fombam-pivavahana jiosy. Nanao fanafihana mitam-piadiana matetika i Jodasy mba handreseny ny fahavalony ao [[Jodea]] sy ny manodidina. Taorian'izany, tamin'ny taona 163 tal. J.K. dia nanome fahaleovan-tena ara-pivavahana ny Jiosy ny fanjakan'i Siria. Nilofo koa i Jodasy avy eo hahazo ny fahaleovan-tena ara-politikan'ny Jiosy, ka ny Romana no nanampy azy tamin'izany. Ny tsy fifanarahan'ny samy Jiosy no tsy nampahomby an'izany fihetsiketsehana izany. Tamin'ny taona 161 i Jodasy dia nahazo fandresena miezinezina ny tafika siriana tao Beta-Horona (Beth-Horon) ao avaratra andrefan'i Jerosalema, nefa maty tamin'ny ady nifanaiovany tamin'ny Siriana tao akaikin'i Elsa izy taorian'izay.
 
Mba fahatsiarovana ny fanadiovana sy famerenana ny hasin'ny Tempoly dia mankalaza ny fety atao hoe [[Hanokà]] (''Hannukkah'') isan-taona ny Jiosy mandraka ankehitriny.