Tetiandro hebreo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-25:
Ao amin'ny [[Baiboly]] dia voalaza fa ny taona iray misy 12 volana araka ny hita ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] sy ny [[Boky voalohan'ny Tantara]] (1Mpan. 4.7 sy 1Tant. 27.1-15) ary ny soratra ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]] dia hoatry ny milaza fa ny volana tsirairay dia misy 30 andro (Gen. 7.11; 8.3-4; 8.13-14). Hafa ny anaram-bolana nampiasain'ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] talohan'ny [[Fahababoana tany Babilona|fahababoana]] fa tsy mitovy amin'ny ampiasaina amin'izao fotoana izao. Amin'ny ankapobeny dia ny laharan'ny volana ao amin'ny taona no natao anaran'ny volana.
 
Misy anaram-bolana vitsy izay voalaza ao amin'ny Baiboly, dia ireo nogasina hoe ''[[Abiba (volana hebreo)|Abiba]]'' (hebreo: אביב / ''Aviv'' na ''Abib''), ''[[Ziva (volana hebreo)|Ziva]]'' (hebreo: זיו / Ziv), ''[[Etanima (volana hebreo)|Etanima]]'' (hebreo: אֵתָנִים / ''Ethanim'') ary ''[[Bola (volana hebreo)|Bola]]'' (hebreo: / Bul). Ny Abiba (''Aviv'') dia volana voalohany, ny Ziva (''Ziv'') no faharoa, ny Etanima (''Ethanim'') no fahafito, ny Bola (''Bul'') no fahavalo. Heverina ho avy amin'ny anaram-bolana kananita izy ireo. Ny volana ''Aviv'' (midika ara-bakiteny hoe "lohataona") dia voaresaka ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy]] sy ny [[Bokin'ny Deoteronomia]] (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1). Ny volana ''Ziv'' (midika ara-bakiteny hoe "fahazavana") dia voaresaka ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] (1Mpan. 6.1; 6.37). Ny volana ''Ethanim'' (midika ara-bakiteny hoe "mahery", endrika milaza maro) dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 8.2). Ny volana ''Bul'' dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 6.38).
 
==== Ny anaram-bolana taorian'ny Fahababoana ====