Herôda Lehibe: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tantaran'ny Jiosy sy ny Romana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:HerodtheGreat (cropped).jpg|vignette|I Heroda Lehibe]]
I '''Heroda Lehibe''' na '''Heroda I Lehibe''' dia mpanjakan'i Jodea (na Jodia) izay notohanan'ny Romana sady lazaina ao amin'ny lovantsofina jiosy sy kristiana fa mpanjaka nanao didy jadona sy ratsy fafahy fanahy. Teraka tamin'ny taona 73 tal. J.K. sady maty tamin'ny taona 4 taor. J.K. izy. Nanomboka tamin'ny taona 37 tal. J.K. ka nifarana tamin'ny taona 4 taor. J.K. ny fanjakany.
 
== Ny anarany ==
I Heroda Lehibe dia atao hoe הוֹרְדוֹס הַגָּדוֹל / ''Horedos haGadol'' amin'ny teny hebreo, sy ''Ἡρῴδης ὁ Μέγας'' / ''Hêrôdês ho Mégas'' amin'ny teny grika, ary ''Caius Iulius Herodes'' amin'ny teny latina.
 
== Ny tantarany ==
 
=== Ny fianakaviany ===
Teraka tamin'ny taona 73 tal. J.K. sady maty tamin'ny taona 4 taor. J.K. izy. Teraka tao Palestina atsimo i Heroda ary Arabo ny ray aman-dreniny. I Antipatrosy no rainy.
 
=== Ny fitondrany ===
Teraka tao Palestina atsimo i Heroda ary Arabo ny ray aman-dreniny. I Antipatrosy no rainy izay notendren'i [[Jolio Kaisara]] tamin'ny taona 47 tal. J.K. ho mpanapaka an'i Jodea. I [[Pompeio Lehibe]] dia efa nanongana azy tao amin'ny fanjakan-taranaka hasmoneana. Na dia nanohitra aza ny Hasmoneana dia nanaiky an'i Heroda ho mpanjaka talin'ny taona 39 tal. J.K. ny Antenimierandoholona romana, nefa tsy tena nanomboka nanjaka izy raha tsy tamin'ny taona 37 tal. J.K. Nanamafy ny fahefany manoloana ny Jiosy izy tamin'ny nanambadiany an'ilay andriambavy asmoneana atao hoe Mariamna izay nampamonoiny taty aoriana tamin'ny taona 29 tal. J.K.
 
Nokorontanin'ny ady nisy teo amin'ireo antoko jiosy roa, dia ny [[Sadoseo]] (na Sadoseanina) sy ny [[Fariseo]] (na Farizianina) ny fiandohan'ny fotoana nanjakan'i Heroda, nanampy trotraka koa ny tsy hafaliam-pon'ireo taranaka hasmoneana sisa izay niombona tamin'ny mpanjakavavin'i Egipta atao hoa Kleopatra. Nandresy ihany i Heroda tamin'ny farany indrindra noho ny faharesen'i Kleopatra sy i Marko Antonio nanoloana an'i Kaio Oktavio (ilay nananajary emperora taty aoriana, dia i Aogosto). Na dia nanohana an'i Marko Antonio aza i Heroda tamin'ny adiny tamin'i Oktavio, dia nanohana an'i Heroda ho mpanjaka i Oktavio tamin'ny taona 31 tal. J.K. satria nihevitra ity farany fa hanapaka araka ny baikon'i Roma i Heroda.
 
Rehefa maty i Heroda dia nizara telo tamin'ireo zanany lahy telo i Jodea, dia i [[Heroda Antipasy]] sy i [[Arkelaosy]] ary i [[Heroda Filipo]]. Na dia nanaraka ny fombam-pivavahana jiosy aza i Heroda, ary na dia teo aza ny fiezahany hahazo ny fankasitrahan'ny [[Jiosy]], dia tsy tian'ny Jiosy i Heroda noho izy Jentilisa sady sakaizan'ny Romana.
Teo anelanelan'ny taona 25 sy 13 tal. J.K. dia niroborobo ara-toekarena i Jodea. Nanao asa fanborenana maro i Heroda, ka isan'izany fanorenana teratra sy anfiteatra ary toeram-pilalaovana tao Jerosalema sy tao [[Jeriko]] ary tao [[Kaisarea]] (na Sezarea na Kaisaria) mba hanomezam-boninahitra an'i Aogosto. Nanamboatra na nanao fanarenana toeram-pamaharana i Heroda mba hiarovany an'i Jodea amin'ny fanafihan'ny [[Arabo (olona)|Arabo]]. Nanao fanitarana ny [[Tempolin'i Jerosalema]] izy izay nantsoina hoe [[Tempolin'i Heroda]] rehefa vita. Ratsy fiafara ny fanjakany noho ny fisian'ny fiokoana tao an-dapa ka nahafaty azy tamin'ny taona 4 taor. J.K.
[[Sary:PikiWiki Israel 34719 Lower level of the northern palace in Masada.JPG|vignette|Lapa avaratr'i Masada namboarin'i Heroda Lehiba tamin'ny taona 25 tal. J.K.]]
 
== Zava-bitany ==
Teo anelanelan'ny taona 25 sy 13 tal. J.K. dia niroborobo ara-toekarena i Jodea. Nanao asa fanborenana maro i Heroda, ka isan'izany fanorenana teratra sy anfiteatra ary toeram-pilalaovana tao Jerosalema sy tao [[Jeriko]] ary tao [[Kaisarea]] (na Sezarea na Kaisaria) mba hanomezam-boninahitra an'i Aogosto. Nanamboatra na nanao fanarenana toeram-pamaharana i Heroda mba hiarovany an'i Jodea amin'ny fanafihan'ny [[Arabo (olona)|Arabo]]. Isan'ny namboariny koa i [[Masada]]. Nanao fanitarana ny [[Tempolin'i Jerosalema]] izy izay nantsoina hoe [[Tempolin'i Heroda]] rehefa vita. Ratsy fiafara ny fanjakany noho ny fisian'ny fiokoana tao an-dapa ka nahafaty azy tamin'ny taona 4 taor. J.K.
 
Rehefa maty iI Heroda dia nizara telo tamin'ireo zanany lahy telo i Jodea,Lehibe dia i [[Heroda Antipasy]] sy i [[Arkelaosy]] ary i [[Heroda Filipo]]. Na dia nanaraka ny fombam-pivavahana jiosy aza i Heroda, ary na dia teo aza ny fiezahany hahazo ny fankasitrahan'ny [[Jiosy]], dia tsy tian'ny Jiosy i Heroda noho izy Jentilisa sady sakaizan'ny Romana. Izy no voalaza ao amin'ny lovantsofina kristiana, araka ny [[Evanjelin'i Matio]] (Mat. 2.16) ho nandripaka zazalahy kely tsy manan-tsiny mba hahafaty an'i [[Jesosy]] zaza tao [[Betlehema]].