Zelôta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
Ny '''Zelota''' dia firehana na antoko ara-politika sy ara-pivavahana jiosy izay nalaza tamin'ny fanoherana ny Romana tao [[Jodea]] tamin'ny taonjato voalohany taor. J.K. ka namporisika ny vahoaka jiosy tao amin'ny faritanin'i [[Jodea]] hikomy amin'ny Fanjakana romana sady handroaka azy amin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana. Izy no lohany tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny Fikomiana lehibe (hebreo: המרד הגדול / ''ha-Mered Ha-Gadol'') nataon'ny [[Jiosy]] tamin'ny taona 66 hatramin'ny taona 70 taor. J.K.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-5:
 
== Tantaran'ny Zelota ==
Ny Zelota dia niseho ho vondrona politika miavaka tamin'ny andron'i [[Heroda Lehibe]] (nanapaka teo anelanelan'ny taona 37 sy 4 tal. J.K.). Nantsoina hoe ''Galileana'' (na ''Galiliana'') koa izy ireo. Tamin'ny taona 6 taor. J.K., rehefa notapahin'ny governemanta mivantana i Jodea ka nandidy i Koirinio (na Kirinio na Kireniosy, izay jeneraly sy mpandraharaham-panjakana romana) ny tsy maintsy hanaovana fanisam-bahoaka mba hamaritana ny hetra halaina. Izany fanisam-bahoaka izany dia fandikana zavatra andrarana ao amin'ny Baiboly (Andriamanitra irery ihany no afaka manisa ny fanahin'olombelona).
 
Niantso ho amin'ny fikomiana ny Zelota notarihin'i Jodasy avy any Galilea. Ny fanekena ny fahefan'ny emperora romana, izay [[jentilisa]] mpanompo sampy, hoy izy ireo, dia midika fandavana ny fahefan'Andriamanitra sady fanekena ny fanandevozana. Amin'izy ireo dia fandotoana ny Tany nampanantenaina ny fisian'ny Romana ao Palestina. Ny fikomiana nataon'ny Zelota tamin'ny taona 6 taor. J.K. dia nalaky nitsahatra noho ny famaizana. Maro amin'izy ireo no novonoina, ka isan'izany angamba i Jodasy Galileana, nefa ny hafa nanohy nitory ny fanoherana tanteraka ny Romana.
Andalana faha-12:
 
Ny iray amin'ny mpianatr'i Jesosy atao hoe [[Simona Zelota|Simona]], dia isan'ny Zelota (Lioka 6.15). Araka an'i [[Flavio Josefa]], ny Zelota dia nandray anjara lehibe tamin'ny famporisihana sy ny fanohanana ny tolom-bahoaka jiosy hanoherana ny Romana izay nanomboka tamin'ny taona 66 taor. J.K. Na dia nanohy ny fanenjehana sy ny famonoana ny antoko jiosy hafa aza ny Zelota, dia niaro amin-kerim-po an'i Jerosalema ambara-pahatongan'ny faharavan'io tanàna io tamin'ny taona 70 taor. J.K.
[[Sary:Israel-2013-Aerial 21-Masada.jpg|vignette|224x224px|Sarin'i Masada nalaina teny ambony]]
 
Nanohitra sy niady tamin'i Tito (emperora romana) amin-kerim-po izy ireo nandritra ny fahirano sy taorian'ny nahazoan'ny Romana an'i Jerosalema tamin'ny taona 70 taor. J.K. Tapa-kevitra ny Romana nanombo tamin'ny hazo filaliana ireo izay efa migadra any am-ponja. Nisy koa vondrona zelota niaro ny tobim-pamaharana jiosy atao hoe Masada (hebreo: מצדה / ''Mitsada'') izay nataon'ny tafika romana fahirano hatramin'ny taona 73 taor. J.K. sady nisafidy ny famonoan-tena toy izay hitolo-batana. Maro ny nisafidy ny hiaraka mamono tena tamin'ny alalan'ny fitrobaran-tena tamin'ny fitaovam-piadiana, na tamin'ny alalan'ny fianjerana avy eny amin'ny tobin'i Masada.
 
== Jereo koa ==