Mônôteisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-11:
Ny mpikaroka sasany kosa dia milaza fa ny fanambaràna ny maha tokana an'i Iahveh dia niaraka tamin'ny fivoahan'ny [[Zanak'i Israely]] avy ao Ejipta. Ny anaran'ny andriamanitry ny Hebreo dia tsy azo tononina, fa nosoratana fotsiny amin'ny litera hebreo efatra izay azo adika amin'ny litera latina hoe ''[[Yahweh|Ihvh]]''. Ny fanambaran-tenan'i Iahveh dia niseho tamin'ny fotoana nahitan'i [[Mosesy|Moizy]] (na [[Mosesy]]) an'ilay roimemy mirehitra nefa tsy nety levona izay nilazan'Andriamanitra hoe "Izaho no ilay misy" (Eks. 3.14 ao amin'ny [[Baiboly malagasy|Baiboly Masina]]). Ny Baiboly hebreo (na [[Tanakh]]) dia maneho fa i Iahveh ihany no misy fa ny andriamanitra hafa dia tsy misy.
 
=== Monoteisma ao amin'ny fivavahanaNy kristiana ===
Monoteista ny [[Kristianisma|Kristiana]] nefa misy fahasamihafana amin'ny finoan'ny Jiosy sy ny Silamo ny finoany an'Andriamanitra. Ny maro amin'ny Kristiana dia mino fa "Telo Izay Iray" na [[Trinite]] Andriamanitra, izany hoe "Andriamanitra tokana manana persona telo". Ny hoe ''persona'' dia tsy nadikan'ny teolojiana miteny malagasy fa nionona amin'ny fitzonana ny teny latina hoe ''persona'' na fanagasiana ny teny frantsay hoe ''personne'' na ny teny anglisy hoe ''person'' izy ireo. Ny teolojiana katolika mampiasa ny fiteny malagasy dia mandika ny teny latina hoe ''persona'' amin'ny teny malagasy hoe ''olona''.