Mônôteisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Namafa soratra tsy ilaina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-7:
Ilay andriamanitra tokana ao amin'ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] dia matetika tononina amin'ny anarana hoe ''El''. Io no anaran'ny andriamanitra fara-tampon'ny mponina tao [[Kanaana|Kanana]] izay noraisin'ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] koa ho anaran'ny andriamaniny rehefa tonga tao Kanana izy ireo.
 
Ny mpikaroka momba ny fivavahana dia milaza fa tsy tonga dia monoteista ny fivavahan'ny hebreo fa [[henoteisma]] izay nomena anarana hoe ''[[yahvisma|iahvisma]]'' satria ninoan'ny Hebreo taloha ny fisian'andriamanitra maro nefa i [[Iahveh]] no nanataony ho andriamaniny nolovany tamin'ny razany, satria samy nanana ny andriamaniny ny firenena tsirairay. Tany am-[[Fahababoana tany Babilona|pahababoana]] any [[Babilona]] vao nanomboka ny finoan'ny [[Jiosy]] ny maha andriamanitry ny firenena rehetra sy izao rehetra izao an'Andriamanitra.
 
Ny mpikaroka sasany kosa dia milaza fa ny fanambaràna ny maha tokana an'i Iahveh dia niaraka tamin'ny fivoahan'ny [[Zanak'i Israely]] avy ao Ejipta. Ny anaran'ny andriamanitry ny Hebreo dia tsy azo tononina, fa nosoratana fotsiny amin'ny litera hebreo efatra izay azo adika amin'ny litera latina hoe ''[[Yahweh|Ihvh]]''. Ny fanambaran-tenan'i Iahveh dia niseho tamin'ny fotoana nahitan'i [[Mosesy|Moizy]] (na [[Mosesy]]) an'ilay roimemy mirehitra nefa tsy nety levona izay nilazan'Andriamanitra hoe "Izaho no ilay misy" (Eks. 3.14 ao amin'ny [[Baiboly malagasy|Baiboly Masina]]). Ny Baiboly hebreo (na [[Tanakh]]) dia maneho fa i Iahveh ihany no misy fa ny andriamanitra hafa dia tsy misy.