Kôrinto tamin' ny Andro Taloha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
k New undistorted picture of the temple of Apollo in much higher resolution, quality image on commons
Andalana faha-1:
[[Sary:Isthme Corinthe fr.png|vignette|362x362px|Sarintanin'i Korinto]]
I '''Korinto''' dia tanan-dehibe sady fanjakana tao amin'ny andilan-tanin'i Korinto, andilan-tany mampitohy an'i Peloponeso (grika: ''Πελοπόννησος'' / ''Pelopónnēsos'') amin'ny tapan'i [[Grisia tamin'ny andro taloha|Grisia]] eny amin'ny tanibe, eo anelanelan'ny Atenay (grika: Ἀθῆναι / ''Athễnai'') sy i Sparta (grika: Σπάρτη / ''Spártê''). Atao hoe ''Κόρινθος'' / ''Kórinthos'' izy amin'ny teny grika. Ny tananan'i Korinto amin'izao andro izao dia hita eo amin'ny 5 km avaratra-atsinanan'ireo sisam-paharavana tranany. Hatramin'ny 1896 no mankaty dia nisy fikarohana arkeolojnika nataon'ny ''American School of Classical Studies at Athens'' izay nahitana ny ampahany lehibe tamin'ilay tanàna tranainy, sy fisavana vao tsy ela akory nataon'ny ministera grika momba ny kolontsaina izay nahitana zava-baovao araka arkleolojia tao amin'ilay tanàna.
[[Sary:AncientKorinth CorinthBW 2017-10-10 10-55-28.jpg|vignette|266x266px|Sisam-paharavàn'ny tempolin'i Apolo tao aminin'i Korinto]]
I Korinto dia iray amin'ireo tanan-dehibe vitsy tany amin'ny [[Andro Taloha]] izay tsy nanao politikam-panjakazakana (imperialisma). Ny nataony dia ny ny hampanan-karena azy tamin'ny alalan'ny raharaham-barotra sady niaro ny fahafahana tamin'ny fikendren'ny tanàna grika maro fahizay hanitatra ny fanjakazakany. Nanohitra ny zavatra tian'ny Makedoniana sy Akeana ary Romana hatao aminy koa io tanàna io.