Fiendrika sy fitodika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina sy rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Andalana faha-127:
 
=== Ny fiendrika anelanelany ===
Ny [[fiendrika anelanelany]] (izay atao hoe koa "[[fiendrika anelanelany anoina]]") dia fiendrika hita ao amin'ny fiteny indo-eoropeana (ohatra: ny [[fiteny grika taloha]] sy ny [[Fiteny sanskrity|fiteny sanskrita]] sy ny [[fiteny latina]] ary ny [[fiteny islandey]]). Ny matoanteny amin'ny fiendrika anelanelany ao amin'ny fiteny grika taloha dia miafara amin'ny -''ομαι'' (''-omai'') izay fiafaran'ny matoanteny amin'ny fiendrika anoina nefa tsy voatery hanana hevitra anoina.
 
Raha ny heviny no jerena dia ahitana azy ihany koa ny fiteny sasany ankehitriny nefa tokony hatao hoe ''fitodika'' fa tsy ''fiendrika'' izany satria mitovy amin'ny [[fiendrika mañano]] ihany. Saika hitovy amin'ny [[fiendrika tampody]] ao amin'ny fiteny frantsay izy nefa tsy mampiasa [[Mpisolo tena (fitsipiteny)|mpisolo tena]] fameno mitovy laharana amin'ny mpisolo tena misahana anjara asa lazaina. Indraindray koa dia atao hoe "fiendrika anelanelany" ny fiendrika tampody.