Evanjelisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-15:
Araka ny filazan'ny Conseil National des Evangéliques de France, ny finoana evanjelika dia azo fintinina amin-javatra telo<ref><small>[http://www.lecnef.org/ce-qu-ils-croient#evan%20ou%20prot Jereo: lecnef.org] ([http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.lecnef.org%2Fce-qu-ils-croient%23evan%2520ou%2520prot tahiry]).</small></ref> izay hita koa ao amin'ny fanambaràm-pinoanan'ny Alliance Evangélique Mondiale, izay neken'izy ireo tamin'ny taona 1951 <ref><small>http://www.eglises.org/declaration/ ([http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.eglises.org%2Fdeclaration%2F tahiry])</small></ref> :
 
# Ny [[biblisisma]]: ny Baiboly no filamatry ny finoana ara-pilazantsara;
# Ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]]: miaiky ny asam-panavotan'i Kristy amin'ny alalan'ny fieken-keloka sady misafidy manokana ny hanolotra ny fiainany amin'i [[Jesosy]] mba hahazo ny fonomezamfanomezam-pahasoavan'ny famonjena izay mifandray amin'ny [[Fahateraham-baovao (kristianisma)|fahateraham-baovao]]. Ny batisan'ny olon-dehibe [[Anabatisma|anabatista]] dia matetika manambara izany fanapahan-kevitra izany;
# Ny fijoroana vavolombelona: ny [[Filazantsara]] no Vaovaovaovao mahafaly izay tokony ho zarain'ny Kristiana ara-pilazantsara amin'ny fianakaviany, amin'ny namany, amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, amin'ny mpiara-miasa aminy, ary amin'ny olona rehetra izay mety hihaona aminy, na amin'ny fiainanany andavan'andro izany na amin'ny maha mpamita iraka (misionera) azy.
 
Ireo zavatra telo ireo dia vokatry ny fanadihadiana nataon'ilay sosiologa britanika atao hoe Bavid Bebbington izay manampy koa ny maha ivon'ny fivavahan'ny Evanjelika ny amin'ny fanomboana an'i [[Jesosy|Jesosy Kristy]] tamin'ny hazo fijaliana, izay lohahevitra mitoetra mandrakariva ao amin'ireo [[toriteny]] sady heverina ho kihon-dalana teo amin'ny tantaran'ny Zanak'olombelona. Na dia izany aza dia mason-tsivana tsy dia voaray hanavahana ny Fiangonana evanjelika izany, angamba noho izy sarotra sarahina amin'ny fahatsapan'ny tsirairay.
 
Misy vondrom-piangonana hafa izay azo ampifanakekezina ara-teolojia na ara-tsosiolojia amin'io firehana io (ohatra amin'izany izay miseho ao amin'ny [[Fiangonana katolika]]) nefa tsy azo lazaina hoe "ara-pilazantsara", amin'ny hevitra hentitr'ilay teny izany.
 
Araka ny fomba fijery ara-piarahamonina sy ara-tantara miaraka dia tsapa fa azo faritana amina mason-tsivana roa ny Evanjelisma, dia:
 
* ny fanadratana ambony ny [[fifohazam-panahy]] ([[revivalisma]]), izay mahafaoka ny fiheverana ho zava-dehibe ny fibebahan'ny tena manokana amin'ny maha an'ny tena manokana ny [[famonjena]];
* ny fanarahana ny lala-marina (ortodoksia araka ny heviny protestanta): ny fahefan'ny [[Baiboly]] sy ny maha vokatry ny [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandri]]<nowiki/>n'Andriamanitra azy, ny fahamarinan-tandrifin'ny zavatra voalaza ao ary ny fiarovana ireo "fahamarina kristiana"<ref><small>Jereo: Jean Baubérot, "Protestantisme", ao amin'ny ''Encyclopædia Universalis'', Paris, Encyclopædia Universalis, 2002, vol. 18, <abbr>p.</abbr> 1045, col. i.</small></ref>.