Mishnah: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Soratra ao amin'ny fivavahana jiosy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''Mishnah''' na '''Mishna''' na '''Misnà''' dia ny fanangonan-dalàna am-bava jiosy voalohany sady literatiora rabinika voalohany. Tamin'ny taonjato faha-3 taor. J.K no nanaovan'i Juda Hanassi ny fanangonana, izay voasoratra tamin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]], afa-tsy andininy vitsivitsy amin'ny [[fiteny arameana]], sady mitanisa ireo hevitra sy ady hevitra ary koa ny famahana ara-dalàna nataon'ny Tanaima (hebreo: תנאים / ''Tanaim'' "mpamerimberina") momba ny zavatra andidian'ny [[Torah]], ka alahatra ara-dohahevitra misy toko enina sady voatsinjara ho lohahevitra (hebreo: מַסֶּכְתּוֹת / ''massekhtot'') miisa 63.
 
Atao hoe מִשְׁנָה / ''Mishnah'' izay midika hoe "fandinihana miverimberina" na "famerimberenana" ny Mishnah amin'ny teny hebreo.
 
Ny teny hoe ''Mishnah'' (manomboka amin'ny sora-baventy) dia manondro ny asa soratra nanangonana ny andininy anarivony maro, fa ny ''mishnah'' na ''mishnayot'' (manomboka amin'ny sora-madinika) dia manondro ny andininy tsirairay. Ny [[Talmud]] dia manondro koa ireo andininy izay tsy tafiditra ao amin'ny Mishnah nefa mitambatra ho fanangona hafa manokana, izay atao hoe braitot. Ny fanehoana ny mishnayot sy ny fivoasana azy, izay atao hoe gemara dia mitambatra ka manome ny votoatin'ny Talmud.