Epistily fahatelo nosoratan' i Joany: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-8:
=== Ny mpanoratra ===
Ny [[Lovantsofina|lovantsofin]]'ny Fiangonana dia manao ny epistily telo mitondra ny anaran'i Joany (na Jaona) ho nosoratan'i [[Joany evanjelista|Joany Evanjelista]]. Ankehitriny anefa dia maro ny ady hevitra ny amin'ny fahamarinan'izany lovantsofina izany. Misy ny manampahaizana izay milaza fa ny [[Epistily faharoa nosoratan'i Jaona|Epistily faharoa]] sy ny Epistily fahatelo amin'ny anaran'i Joany dia soratr'olona izay mety ho ilay "Loholona"<ref><small>Voambolana: "loholona" ny ao amin'ny [[Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy]].</small></ref> (na "Antidahy"<ref><small>Voambolana: "Antidahy" ny ao amin'ny [[Baiboly katolika amin'ny teny malagasy]].</small></ref>), atao hoe Joany (na Jaona) koa, resahina ao amin'ny Epistily faharoa (2Joa. 1.1) sy ao amin'ny Epistily fahatelo (3Joa. 1.1). Ny ankamaroan'ny mpikaroka dia mihevitra fa ilay Joany Loholona no nanoratra ireo epistily telo ireo sy ny [[Evanjelin'i Joany]].
 
=== Ny anoratana ===
Ny Epistily fahatelon'i Joany, izay tsy ahitana afa-tsy andininy 15, dia nosoratana ho an'olona atao hoe Gaio (2Joa. 1.1), izay mety ho Kristiana filamatra tao amin'ny Fiangonana.
 
== Famintinana ==
Ny antony nanoratana ny taratasy dia ny fitondran-tenan'ny Kristiana iray atao hoe Diotrefa (3Joa. 1.9) izay tsy nety nanaiky ny fahefan'ny "Loholona" na ny "Antidahy" izay nampanantena ny hikarakara manokana an'i Diotrefa (3Joa. 1.10). Midera an'i Gaio ny mpanoratra (3Joa. 1.3-7) sy mamporisika azy hanohy ny fandraisam-bahiny ary hiasa ho an'ny Fahamarinana (3Joa. 1.8).
 
== Jereo koa ==