Epistily faharoa nosoratan' i Joany: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Epistily faharoa nosoratan'i Jaona|'''Epistily faharoa nosoratan'i Jaona''']] na [[Epistily faharoa nosoratan'i Jaona|'''Epistola faharoa nosoratan'i Joany''']] na [[Epistily faharoa nosoratan'i Jaona|'''Taratasy faharoa nosoratan'i Joany''']] dia boky ao amin'ny [[Baiboly]] ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] izay isan'ireo atao hoe epistily. Atao hoe [[Epistily katolika]] io epistily io noho izy tsy natokana ho ana fiangonana iray fa ho an'ny fiangonana sy ny olona rehetra. Ny Epistily faharoan'i Joany dia soratra fohy indrindra ao amin'ny Baiboly kristiana, tsy misy afa-tsy andininy 13 ny ao amin'io epistily io. Tokony ho teo anelanelan'ny taona 90 sy 110 no nanoratana azy.
 
== Ny anaran'ny boky ==
Andalana faha-5:
 
== Fanoratana ny epistily ==
 
=== Ny mpanoratra ===
Ny [[Lovantsofina|lovantsofin]]'ny Fiangonana dia manao ny epistily telo mitondra ny anaran'i Joany ho nosoratan'i [[Joany evanjelista|Joany Evanjelista]]. Ankehitriny anefa dia maro ny ady hevitra ny amin'ny fahamarinan'izany lovantsofina izany. Misy anefa ny manampahaizana izay milaza fa ny Epistily faharoan'i Joany dia soratr'olona hafa izay mety ho ilay "Loholona" (na "Antidahy"), atao hoe Joany (na Jaona) koa, resahina ao amin'ny Epistily faharoa (2Joa. 1.1) sy ao amin'ny [[Epistily fahatelo nosoratan'i Jaona|Epistily fahatelo]] (3Joa. 1.1). Ny ankamaroan'ny mpikaroka dia mihevitra fa ilay Joany Loholona no nanoratra ny epistily telo amin'ny anaran'i Joany.
 
=== Ny anoratana ===
Nosoratana ho an' "Itompokovavy voafidy sy ny zanany"<ref><small>Voambolana: "itompokovavy" ny ao amin'ny [[Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy]].</small></ref> (na ho an'ny "Andriambavy"<ref><small>Voambolana: "Andriambavy" ny ao amin'ny [[Baiboly katolika amin'ny teny malagasy]].</small></ref>) izay (2Joa. 1.1). Ny manampahaizana dia miray hevitra fa tsy vehivavy izany fa fiangonana iray, ka mety iray amin'ireo fiangonana tany [[Azia Minora]] izany.
 
== Famintinana ==
Ny mpanoratra dia mamerina ny hevi-dehibe voalaza ao amin'ny [[Epistily voalohan'i Joany]], dia ny didim-pitiavana, ny firaisana amin'Andriamanitra, nefa ambarany amin'ny fomba fiteny fohifohy kokoa izany (2Joa. 1.4-9), sy ampiany fampianarana ny hoe: "Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory". Izany olona izany dia ilay "mpamitaka sy antikristy" (2Joa. 1.7), ka izay olona mampandroso azy an-trano dia "miombona amin'ny ratsy ataony" (2Joa. 1.11).
 
== Jereo koa ==
Ligne 20 ⟶ 28 :
* [[Epistily fahatelo nosoratan'i Jaona]]
* [[Epistily nosoratan'i Joda]]
 
== Loharano sy fanamarihana ==