Epistily voalohany nosoratan'i Joany : Fahasamihafan'ny versiona roa

Nanitatra
(Nanitatra)
(Nanitatra)
 
== Fanoratana ny epistily ==
 
=== Ny mpanoratra ===
Ny [[Lovantsofina|lovantsofin]]'ny Fiangonana dia manao ny epistily telo mitondra ny anaran'i Joany ho nosoratan'i [[Joany evanjelista|Joany Evanjelista]]. Ankehitriny anefa dia maro ny ady hevitra ny amin'ny fahamarinan'izany lovantsofina izany. Amin'ireo soratra kanonika amin'ny anaran'i Joany dia misy ny mpanampahaizana milaza fa ny Evanjelin'i Joany sy ny Epistily voalohan'i Joany dia soratr'i Joany Evanjelista. Ny mpanampahaizana hafa koa dia mihevitra fa soratr'olon-tokana ireo, izay mety ho ilay Joany (na Jaona) mitonon-tena hoe "Loholona" (na "Antidahy") resahina ao amin'ny Epistily faharoa (2Joa. 1.1) sy ao amin'ny Epistily fahatelo (3Joa. 1.1), fa tsy i Joany Evanjelista. Ny ankamaroan'ny mpikaroka anefa dia mihevitra fa ilay Joany Loholona na Antidahy no nanoratra ny epistily telo sy ny evanjely amin'ny anaran'i Joany.
 
=== Ny nanoratana ===
Ny Epistily voalohany nosoratan'i Joany dia karazana toriteny fa tsy toy ny [[epistily]] na epistola (izany hoe taratasy alefa) araka ny mahazatra (izay ahitana teny fiarahabana milaza ny anaran'ny mpandefa sy ny andefasana) sy ny teny famaranana ahitana firarian-tsoa. Mety nosoratana ho an'ny fiagonana na faritra iray izy, ka mety ho i [[Azia Minora]] izany.
 
=== Fotoana nanoratana ===
Ny mpikaroka maro dia miara-manaiky fa tamin'ny faramparan'ny taonjato voalohany no nanoratana ireo epistily ireo.
 
== Famintinana ==
16 254

modifications