Epistily voalohany nosoratan'i Joany : Fahasamihafan'ny versiona roa

Nanitatra
k (Tsipelina sns)
(Nanitatra)
== Ny anaran'ny boky ==
''Πρώτη Επιστολή Ιωάννη'' / ''Prôtê Epistolê Iôannê'' no anaran'io epistily io amin'ny teny grika fa ''Epistula I Ioannis'' kosa amin'ny teny latina.
 
== Fanoratana ny epistily ==
 
=== Ny nanoratana ===
Ny Epistily voalohany nosoratan'i Joany dia karazana toriteny fa tsy toy ny [[epistily]] na epistola (izany hoe taratasy alefa) araka ny mahazatra (izay ahitana teny fiarahabana milaza ny anaran'ny mpandefa sy ny andefasana) sy ny teny famaranana ahitana firarian-tsoa. Mety nosoratana ho an'ny fiagonana na faritra iray izy, ka mety ho i [[Azia Minora]] izany.
 
== Famintinana ==
Mety ho fiangonana maromaro no nandefasana ny epistily mba hanampiana azy ireo ho mahatoky ao amin'ny finoana. Tandindomin-doza ireo fiangonana ireo amin'ny fisian'ny mpaminany sandoka (1Joa. 4.1) izay mandà ny maha avy amin'Andriamanitra an'i Jesosy Kristy tonga nofo (1Joa. 4.2). Ny fampianaran'ireo [[antikristy]] ireo (1Joa. 2.8) dia hita fa endriky ny [[gnostisisma]] vao miforona, dia filozofia ara-pivavahana izay milaza fa ny fahalalana ihany no ahafaha-manakatra an'Andriamanitra (1Joa. 2.4). Nanohintohina ny fiombon'ireo fiangonana tany amboalohany izany fampianarana izany ka nahatonga ny mpanoratra hanao izay hialan'ireo antikristy ireo eo amin'ny Fiangonana (1Joa. 2.19).
 
Mikendry ny hanoherana ny "fanahin'ny fampiviliana"<ref><small>Voambolana: "fanahin'ny fampiviliana" ny ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy.</small></ref> na "fanahin'ny fahadisoan-kevitra"<ref><small>Voambolana: "fanahin'ny fahadisoan-kevitra" ny ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny teny malagasy.</small></ref> (1Joa. 4.6) izay nampidirin'ireo mpaminany sandoka ireo ity epistily ity. Satria nisy ny fisarahana (1Joa. 4.3), ny Kristiana tsy mifankatia (1Joa. 2.9; 4.20), izay mihevi-tena ho tsy manam-pahotana. Ny sasany indray nandao ny Fiangonana. Nampahatsiahy ny fanambaràna marina ny mpanoratra, dia ny amin'ny mafa fitiavana an'Andriamanitra ka nandefasany ny Zanany ho sorona hanadiovana ny fahotantsika. Tsindrian'ny mpanoratra koa fa raha toy izany no nitiavan'Andriamanitra antsika dia tokony hifankatia koa isika satria ny fifankatiavantsika no hitoeran'Andriamanitra amintsika ka hahatanteraka ny fitiavany antsika (1Joa. 4.8-12).
 
== Jereo koa ==
* [[Epistily nosoratan'i Joda]]
 
== Lofarano sy fanamarihana ==
[[Sokajy:Epistily katolika]]
16 254

modifications