Manase (zanak' i Jôsefa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Manase
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Jacob Blessing Ephraim and Manasseh, by Benjamin West.jpg|vignette|274x274px|Mitso-drano an'i Manase sy i Efraima i Jakoba.]]
I '''Manase''' dia zanaka lahin'i [[Josefa (zanak'i Jakoba)|Josefa]] voalohany tamin'i Asnata, sy zafikelin'i [[Jakoba (patriarka hebreo)|Jakoba]]. i [[Efraima (zanak'i Josefa)|Efraima]] no zandriny, araka ny [[Baiboly]]. Rain'i Mahira (na Makira) i Manase ary ny taranany dia namorona foko iray isan'ny foko roa ambin'ny folon'i Israely, dia ny [[fokon'i Manase]]. Araka ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 41.51) dia avy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe ''nashah'' izay midika hoe "manadino" io anarana io. Atao hoe מְנַשֶּׁה / ''Menasheh'' i Manase amin'ny teny hebreo.
 
Isan'ny taranak'i Manase i [[Gideona]] (na Gedeona).
 
Ny [[Samaritana]] amin'izao fotoana izao dia milaza ny tenan'izy ireo ho taranak'i Efraima sy Manase.