Samaritana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-4:
Manana fivavahana mifanakaiky amin'ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] azy manokana, atao hoe ''samaritanisma'', ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin'ny [[Baiboly]] ihany (atao hoe [[Pentateoka]]), fa tsy ny [[Baiboly hebreo]] manontolo, no ekeny ho [[Soratra Masina]]. Ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Garizima|Gerizima]] no tendrombohira masina fa tsy i Ziona na Siona. Manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny [[abidy samaritana]] izay tsy mitovy amin'ny [[abidy hebreo]]. Amin'izao fotoana izao dia misy ny Samaritana israeliana sy ny Samaritana jordaniana ary ny Samaritana palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin'ny taona 2007 dia 796 no isany.
 
Ny Samaritana dia mihevitra fa taranaky ny foko folo lazaina fa very, indrindra fa ireo [[Fokon'i Josefa|foko roan'i Josefa]], dia ny [[fokon'i Manase]] sy ny [[fokon'i Efraima]], ary koa ny [[fokon'i Levy]].
== Ny fiavian'ny Samaritana ==
 
== Ny olana momba ny fiavian'ny Samaritana ==
 
=== Araka ny Baiboly ===
Ligne 13 ⟶ 15 :
Ny Baiboly anefa tsy tena piresaka mazava ny amin'ny fanjavonan'ireo fokon'i Israely. Ohatra, ny [[Bokin'i Jeremia]] (Jer. 41.5) dia mitatitra fa 150 taona taorian'ny faharavan'ny Fanjakan'i Samaria, izay hoe raha vantany vao rava i Jerosalema tamin'ny taona 586 tal. J.K., dia tonga nitondra fanatitra ho an'ny Tempolin'i Jerosalema ny mponin'i Israely Avaratra: "lehilahy miisa valopolo tonga avy any Sikema (na Sekema), avy any Silo ary avy any Samaria, niharatra volom-bava, nandrovitra akanjo, sady nandididy ny hodiny (ho mariky ny fisaonana). Nitondra voanjavatra sy emboka manitra hatao fanatitra ho an'ny Tempolin'i Iahveh.
 
=== Fiheveran'ny Jiosy sy ny Kristiana ===
Na dia manalasala aza ny fitantaran'ny Baiboly dia mihevitra ny Jiosy ortodoksa, toraka izany koa ny Kristiana, fa ny Samaritana dia tsy afaka hihambo ho taranak'ireo foko folo tao Israely. Tsy ireo Samaritana ireo no ho fitohizam-pisian'ireo foko izay nanjavona amin'ny fomba tsy fantatra ireo.
<br />
 
=== Fiheveran'ny mpanampahaizana ===
Ny fivavahan'ny Samaritana, izay mifototra amin'ny [[Torah]], dia tsy ahitana soritra fomban'ny mpanompoa sampy. Tamin'ny taonjato faha-6 dia nitantara ny [[Bokin'i Jeremia]] fa nanao fanatitra tao amin'ny Tempoly izy ireo.
 
Ny soraratr'ireo raby tamin'ny fotoana nanombohan'ny fisian'ny fivavahana kristiana dia milaza fa ny fanompon'ny Samaritana an'Andriamanitra tokana dia efa nisy hatramin'ny andro taloha ela. Ny fanangonam-pitsipika '''Houllin'' dia manaiky ny henam-biby novonoin'izy ireo ho ''kasher'' (כשר), izany hoe azon'ny Jiosy hanina, raha nisy Jiosy nanatrika ny famonoana izany<ref><small>Fampianarana ao amin'ny Talmoda '''Hullin'', 3b.</small></ref>, ary ny boky atao hoe ''Orlah'' ao ami'ny Talmodan'i Jerosalema dia manaiky koa ny mofo nadrahoin'izy ireo<ref><small>Talmodan'i Jerosalema, ''Orlah'', ii. 7.</small></ref> nefa misy fapetra izany. Misy soratra hafa ao amin'ny Talmodan'i Jerosalema nosoratana tokony ho tamin'ny taonjato voalohany izay milaza fa ny sakafon'ny Samaritana dia ara-dalàna<ref><small>Talmodan'i Jerosalema, ''Abhodah Zorah'' v. 4</small></ref>. Ny soratra iray hafa koa, ny ''Massecheth Kuthim,'' dia manamafy ny fanekena amin'ny ampahany azy ireo: "oviana no azo ekena ho isan'ny vahoaka jiosy izy ireo? Rehefa miala amin'ny tendrombohitra Garizima izy ireo sady manaiky an'i Jerosalema sy ny fitsangan'ny tena amin'ny maty"<ref><small>''"Massecheth Kuthim",'' Kirchheim, ''Septem Libri parvi Talmudici'', pp. 31-36.</small></ref>. Io soratra io ihany dia miaiky fa ny ankabeazan'ny fanaon'ny Samaritana dia itovizan'izy ireo amin'ny Israelita.
 
Noho ireo antony ireo dia be mpanaraka petra-kevitra izay manohana fa ny 80%n'ny mponina tao amin'ny Fanjakan'i Samaria dia nanohy noina tao ihany fa tsy natao sesitany, ka ireo no nanjary Samaritana (amin'ny dikan'io teny io ara-pivavahana) araka ny ambaran'ny Bokin'ny Mpanjaka<ref><small>Israël Finkelstein, Neil Asher Silberman, ''La Bible dévoilée, Les nouvelles révélations de l'archéologie,'' 2002, p. 256.</small></ref>. Ireo izay natao sesitany nefa vitsy dia mety nifangaro amin'ny vahoaka manodidina rehefa ela ny ela.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Tetiandro samaritana]]
* [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely avaratra]]
 
== Loharano sy fanamarihana ==