Samaritana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
Manana fivavahana mifanakaiky amin'ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] azy manokana, atao hoe ''samaritanisma'', ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin'ny [[Baiboly]] ihany (atao hoe [[Pentateoka]]), fa tsy ny [[Baiboly hebreo]] manontolo, no ekeny ho [[Soratra Masina]]. Ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Garizima|Gerizima]] no tendrombohira masina fa tsy i Ziona na Siona. Manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny [[abidy samaritana]] izay tsy mitovy amin'ny [[abidy hebreo]]. Amin'izao fotoana izao dia misy ny Samaritana israeliana sy ny Samaritana jordaniana ary ny Samaritana palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin'ny taona 2007 dia 796 no isany.
 
== Ny fiavian'ny Samaritana ==
 
=== Araka ny Baiboly ===
Araka ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] ao amin'ny [[Baiboly]] (2Mpanj. 17.23 --17.41) dia natao sesitany mankany amin'ny faritry ny Fanjakana asiriana ny mponin'i Samaria mba ho fanasazian'Andriamanitra ny fahotan'izy ireo. Avy eo dia tsy fantatra intsony ny nanjo azy ireo fa nanjavona. Milaza ny Baiboly fa nisy mponina vahiny mampidirina tao Samaria mba hasolo ireo mponina izay natao sesitany. Ireo vahiny ireo no namorona ny fivavahana manafangaro fomba israelita amin'ny fomban'ny mpanompo sampy; ka niteraka ny Samaritana. Ny fivavahana samaritana araka ny ahafantarana azy amin'izao fotoana izao anefa dia tsy ahitana fomban'ny mpanompo sampy.
 
Misy hoatry ny mifanohitra anefa ny fitantaran'ny Baiboly ao amin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka: ireo mponina vao nampidirina ao faritr'i Samaria ireo dia lazaina fa vahiny avy any ivelany, nefa voalaza koa fa nanao fanekem-pihavanana tamin'izy ireo i Iahveh, toy ny hoe taranaky ny Israelita taloha izy ireo. Etsy andaniny dia nisy ireo izay lazaina fa natahiotra an'Andriamanitra, ary ankilany dia lazaina koa fa nanompo koa ny andriaaniny izy ireo.
 
Ny Baiboly anefa tsy tena piresaka mazava ny amin'ny fanjavonan'ireo fokon'i Israely. Ohatra, ny [[Bokin'i Jeremia]] (Jer. 41.5) dia mitatitra fa 150 taona taorian'ny faharavan'ny Fanjakan'i Samaria, izay hoe raha vantany vao rava i Jerosalema tamin'ny taona 586 tal. J.K., dia tonga nitondra fanatitra ho an'ny Tempolin'i Jerosalema ny mponin'i Israely Avaratra: "lehilahy miisa valopolo tonga avy any Sikema (na Sekema), avy any Silo ary avy any Samaria, niharatra volom-bava, nandrovitra akanjo, sady nandididy ny hodiny (ho mariky ny fisaonana). Nitondra voanjavatra sy emboka manitra hatao fanatitra ho an'ny Tempolin'i Iahveh.
 
Fiheveran'ny Jiosy sy ny Kristiana
<br />
== Jereo koa: ==