Magy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-2:
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''magy'' na ''majy'' dia avy amin’ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe μάγοις / ''magois'' izay avy amin'ny [[Fiteny persana|teny persana]] hoe ''maga'' na ''magis''.
 
== Araka ny mpanoratra tranainy grika sy tandrefana ==
Niseho tao amin'ny tontolo tandrefana io teny io nanomboka tamin’ireo taonjato voalohany ka nampiasaina hanondroana ireo olona niaraka tamin'ny fivavahan'i [[Zaratostra]] sady mpikarakara ny fanopoam-pivavahana amin'i [[Ahora Mazda]]. Tsy izy ireo anefa no mpivavaka voalohany tamin'ny [[mazdeisma]]. Tsy voasoratra ao amin'ny ''Avesta'' ny anaran'izy ireo. Ireo mpanoratra tranainy dia nanao an'ireo magy ho [[ombiasa]] (na [[ombiasy]]) ka izany no niheverana ny fanao maizimaizina sy miafinafina ho asan'ireo magy ka atao hoe ''majika'' na ''mazỳ.''
 
Heverina ho foko niova finoana ho amin'ny fivavahana nohavaozin’i Zaratostra, nyatao hoe [[zoroastrisma]], ny magy ary ireo zana-poko ao aminy dia mety naka tsikelikely ho azy samirery ny fahefam-pisoronana. Tsy azo fototra tsara anefa ny amin'izany satria tsy misy na soratra na zavatra hafa manaporofo azy. Taorian'ny fiorenan'ny fivavahana [[silamo]] tao [[Iràna]] dia nanjavona tsy hita intsony ny magy.
 
Raha ny amin'ny majika (fanaovana hatsarana) ataon'ireo magy iraniana indray no resahina dia zavatra tsy marina izany. Ireo mpanoratra grika tranainy izay nitady tahirin-kevitra momba an'i Iràna dia nifampiraharaha tamina magy efa nanana kolontsaina grika sy efa nonina tany [[Mesopotamia]], tany [[Kaldea]], tany [[Anatolia]], sns ka efa nandray fomba amam-panao avy any ivelan'i Iràna. Noho izany ny filalaovana fanafody sy ny [[fanandroana]] izay tsy tian'i Zaratostra sy nozoniny tao amin’ny tononkira (''gata'') izay nataony dia noheverin’ny [[Grika]] sy ny Tandrefana rehetra ho fahaizana manokan'ireo [[Mazdeisma|Mazdeana]].
 
== Jereo koa ==