Saraha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Sarah Abraham.jpg|vignette|I Saraha sy i Abrahama mampiantrano anjely telo miakanjo fotsy.|300x300px]]
I '''[[Saraha]]''' dia vadin'i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] izay reny niteraka amin'ny fomba [[Fahagagana|mahagaga]] an'i [[Isaka]] na dia antitra sy momba aza. Saray no anarany talohan'ny niovany ho Saraha. Anabavy iray ray fa samy hafa reny amin'i Abrahama izy.
 
== I Saraha ao amin'ny fivavahana jiosy sy kristiana ==
 
==== I Saraha ao amin'ny Testamenta Taloha ====
Voaresaka misimisy kokoa ny amin'i Saraha ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] indrindra fa ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy]]. I Saraha, izay natao hoe Saray, dia vadin'i [[Abrahama]], izay natao hoe Abrama. I Saraha sy i Abrahama dia iray ray fa samy hafa reny (Gen. 20.12). I [[Tera]] no rain'izy ireo fa ny renin'i Saraha kosa dia i Iona ary ny renin'i Abrahama dia i Salmota<ref><small>"Sainte Généalogie" araka ny ''Livre de la Caverne des trésors''</small></ref>.
 
Niseho Andriamanitra nandritra ny famangiana (Gen. 18.1-15) nataona lehilahynataon-dehilahy telo nandalo teo amin'ny hazo oaka tao amin'ny tananan'i Mambre (na Mamre) izay nampandrosoin'i Abrahama. Nasain'i Abrahama nanamboatra mofo ho hanin'ny vahiny i Saraha. Ny iray amin'ireo lehilahy telo dia nanambara fa hitoe-jaza i Saraha izay efa antitra ka nihomehy i Saraha. Henon'Andriamanitra izany ka nanomezany tsiny an'i Abrahama. Natahotra i Saraha ka nandainga tamin'ny filazany fa tsy nihomehy izy nefa Andriamanitra nahalala ny marina.
 
Nihevi-tena ho momba ihany i Saraha ka nanolotra an'i [[Hagara]] mpanompo vaviny ho vadin'i Abrahama mba hahazoany zanaka ho azy. Rehefa nitoe-jaza i [[Hagara]] ka hiteraka an'i [[Ismaela]] dia nanambany an'i Saray izay nitaraina tamin'i Abrahama noho izany (Gen. 16). Notanterahin'Andriamanitra ny fanirian'i Saraha dia nitoe-jaza izy ka niteraka an'i [[Isaka zanak'i Abrahama|Isaka]].
 
Ny fahaterahan'i [[Isaka zanak'i Abrahama|Isaka]] dia nampanantenain'Andriamanitra an'i Abrahama sy an'i Saraha (Gen. 17.19-21), taorian'ny fanambadiana tsy misy zaza, ka famantarana ny fahasoavana nomen'Andriamanitra azy ireo izany araka ny maha mpandova ny Fanekem-pihavanana an'i Isaka. Voalaza ao amin'ny [[Bokin'i Isaia]] i Saraha amin'ny niterahany ilay zaza nampanantenaina an'i Abrahama hanome taranaka maro an'i Abrahama (Is. 51.2).
 
Maty tamin'ny faha-127 taonany i Saraha dia nelevina tao amin'ny zohy eo amin'ny sahan'i Makpela mifanolotra amin'ny tananan'i Mambre (na Mamre) ao amin'ny tany [[Kanaana (faritra)|Kanana]] (Gen. 23.19).
Andalana faha-19:
 
==== I Saraha ao amin'ireo literatiora jiosy midrasika ====
Ny [[midrasa]] taty aoriana dia manao izao tantara tsy ao amin'ny Baiboly izao: nilaza ireo [[Jentilisa]] fa zanak'i Hagara i Isaka fa tsy an'i Saraha, nataon'Andriamanitra maina ny nonon'ny vehivavy tao amin'izy ireo ka tonga ireto vehivevy ireto nitalaho tamin'i Saraha sady nanoroka ny vovoka teo amin'ny tongony mba hampinonoan'i Saraha ny zanak'izy ireo. Nataon'i Saraha tokoa izany<ref><small>"Sarah" in ''Encyclopaedia Universalis''</small></ref>.
 
== I Saraha araka ny finoana silamo ==
Ao amin'ny [[Finoana silamo|fivavahana silamo]] dia vady voalohan'ny [[mpaminany]] Abrahama i Saraha sady renin'i Isaka. Omen'ny Silamo haja i Saraha noho ny finoany; nefa tsy voalaza mivantana ao amin'ny boky [[Kor'any]] ny anarany sahala amin'i [[Hagara]] koa. Tsy nisaraka tamin'i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] izy nandritra ny fiainany ary na dia momba tsy miteraka aza izy dia nampanantenain'Andriamanitra ara-paminaniana fa hiteraka an'i Isaka sy hanana zafikely atao hoe [[Jakoba]].
 
Raha mbola tsy nanan-janaka i Abrahama noho ny hamomban'i Saraha dia tsy nitsaha-nivavaka tamin'Andriamanitra mba hahazoany zazalahy. Nomen'i Saraha an'i Abrahama ny mpanompo vaviny, dia i Hagara mba ho vadiny faharoa. Niteraka an'i Ismaily tamin'i Hagara i Abrahama tamin'ny faha-86 taonany, dia i [[Ismaela]] izay ho lasa mpaminany koa.
 
Telo ambin'ny folo taona taty aoriana dia nanambara tamin'i Abrahama, izay efa zato taona, Andriamanitra fa na dia momba aza i Saraha dia hiteraka zazalahy ho an'i Abrahama izay hatao hoe Isaka sady ho tonga mpaminanin'Andriamanitra koa. Voalaza ao amin'ny [[Kor'any]] koa ny amin'ny fihomehezan'i Saraha raha nanambara ny hahaterahan'i Isaka ireo anjely. Mety avy amin'ny fototeny izay midika hoe "mihomehy" ny anarana hoe ''Isaka''. (Kor'any 11.69.72).
 
== Jereo koa: ==