Kônsily tao Kalkedôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy sns
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny '''Konsily tao Kalkedona''' na '''Konsily tao Kalsedoana''' dia [[konsily ekiomenika]] fahaefatra teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana kristiana izay natao tao [[Kalkedona]] na Kalsedoana tamin'ny taona 430. Tamin'ity konsily ity nanambaràna ny fananan'i [[Jesosy]] fomba[[Natiora (na natiorateolojia)|natiora]] roa, dia natioran'Andriamanitra sy natioran'olombelona. Izany konsily izany no nanoherana an'i Eotikesy, izay nampianatra fa mifangaro ka tsy azo avahana ao amin'ny natioran'Andriamanitra ny natioran'olombelona ao amin'i Kristy. Heverin'ny tao amin'ny konsily ho [[fampianaran-diso]] izany fampianarana izany izay nataony hoe ''[[monofizisma]]''. Ny emperora Teodosio II no nampanao io konsily io. Nivoaka tamin'izany ny [[Fiekem-pinoan'i Kalkedona|Fanekem-pinoanan'i Kalkedona]].
 
Nitsipaka izany ireo izay nihevitra fa izany fisianana natiora roa miavaka izany dia fanoherana ny maha iray ny personan[[Persona (teolojia)|persona]]<nowiki/>n'i izay nambaran'i Kirilosy avy any Aleksandria sy nambaran'ny [[konsily tao Efeso]]. Nandray anjara betsaka tamin'izany konsily izany i Flaviano avy any Konstantinopoly sy i Leo I avy any Roma. Manda ny fanapahan-kevitr'io konsily io koa ireo Fiangonana atao hoe "[[Fiangonana monofizita|monofizita]]" izay tsy manaiky ny fananan'i Kristy natioran'olombelona.
 
== Ny fanekem-pinoan'i Kalkedona ==
Ny [[Fanekem-pinoan'i Kalkedona]] (na kalkedoniana) na Fiekem-pinoan'i Kalsedoana (na kalsedoniana) dia fiekem-pinoana tapaka tamin'ny Konsily tao Kalkedona izay mamaritra ny fiombonan'ny fomba (natiora) roan'i Kristy sady nanamafy koa ny maha [[Renin'Andriamanitra]] (grika: ''Theotokos'') an'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]]. Izao ilay fahekem-pinoana:
 
"''Araka ireo Ray masina izany dia mampianatra amim-piraisam-peo izahay fa mitory Zanaka iray sady tokana, dia ny Tomponay Jesosy Kristy, ilay tanteraka amin'ny maha Andriamanitra, sy tanteraka amin'ny maha olombelona, Andriamanitra tokoa ary olona tokoa misy fanahy misaina sy vatana, mitovy fomba amin'ny Ray araka ny maha Andriamanitra sy mitovy fomba amintsika araka ny maha olombelona, manahaka antsika amin'ny lafiny rehetra afa-tsy amin'ny fahotana, nateraky ny Ray talohan'ny fotoana rehetra araka ny maha Andrimanitra, ary amin'ny andro farany izy tenany ilay nateraka ho antsika sy ho famonjena antsika avy amin'ny Maria Virjiny, Renin'Andriamanitra araka ny maha olombelona, Kristy iray sady tokana, Zanaky ny Tompo, izay hany nateraka, ekena fa manana fomba roa, tsy mifangaro, tsy miova, tsy mizara ary tsy misaraka, ny mahasamihafa ireo fomba roa ireo dia tsy foanan'ny fiombonana, ny toetran'ny fomban'ny natiora tsirairay dia voatahiry sady mandray anjara amin'ny persona sy hipostazy iray, dia Kristy tsy mivaky sy tsy misaraka ho persona roa, fa Zanaka iray sady tokana, tokana nateraka, Andriamanitra Teny, Tompo Jesoa Kristy''."