Loteranisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-7:
Ny anarana hoe ''loterana'' dia teny fanaratsiana an'i Lotera nataon'ilay [[Teolojia skolastika|teolojiana skolastika]] alemàna atao hoe Johann Maier von Eck nandritra ny adihevitra tao Leipzig tamin'ny volana Jolay 1519<ref name=":0"><small>Espín, Orlando O. and Nickoloff, James B. ''An introductory dictionary of theology and religious studies''. Collegeville, Minnesota: Liturgical Press, p. 796.</small></ref>. I Eck sy ny mpino katolilka hafa koa dia nanaraka ny fomba fanomezana anarana ireo mpanao [[fampianaran-diso]] (heretika) izay mifototra amin'ny anaran'ny mpitarika azy, ka ny hoe ''loterana'' dia napetaka hilazana ny teolojian'i Martin Lotera<ref name=":1"><small>Fahlbusch, Erwin, and Bromiley, Geoffrey William, ''The Encyclopedia of Christianity, Volume 3''. Grand Rapids, Michigan: Eerdmans, 2003. p. 362.</small></ref>.
 
I Martin Lotera dia tsy nankasitraka ny teny hoe ''loterana'', fa nisdafidynisafidy ny hoe ''Evangelisch'' (''evanjelika'' na ''evanjelikaly'', ''ara-pilazantsara'') izay avy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''εὐαγγέλιον'' / ''euangelion'' izay midika hoe "vaovao mahafaly", izany hoe "filazantsara"<ref name=":0" />. Ny mpanaraka an'i Jean Calvin, i Ulrich Zwingli sy ny teolojiana maro hafa mifandray amin'ny Reformasiona dia nampiasa koa io teny hoe ''evangelisch'' (alemàna) na ''evangelical'' (anglisy) na ''evangélique'' (frantsay) io. Mba hanavahana ireo vondrona evanjelika na ara-pilazantsara roa ireo dia nisy ireo izay nanondro ireo vondrona roa ireo ho ''Loterana evanjelika'' (na ''Loterana ara-pilazantsara'') sy ''Nohavaozina evanjelika'' (na ''Nohavaozina ara-pilazantsara''). Rehefa ela ny ela dia tsy nampiasaina itsony ny hoe ''evanjelika'' (ara-pilazantsara). Ny mpino loterana dia nampiasa ny hoe ''loterana'' hanondroany ny tenany nanomboka tamin'ny tenantenan'ny taonjato faha-16, mba hiavahany amin'ireo vondrona evanjelika hafa toy ny [[Anabatisma|Anabatista]] sy ny [[Kalvinisma|Kalvinista]].
 
Tamin'ny taona 1597 dia namaritra ny hoe ''loterana'' ny teolojiana tao [[Wittenberg]] hanodroana ny fiangonana marina<ref name=":1" />.