Kônsily: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny [[konsily|'''konsily''',]] izay atao hoe koe [[Konsily|'''sinoda''']], dia fivoriam-ben'ny eveka katolika na ortodoksa izay anapahana ny [[tenim-pinoana]] sy ny [[foto-pampianarana]] ary ny fitsipi-pifehezana hiainan'ny Fiangonana. Ny [[Apostoly]] no heverina fa nanao [[Konsily tao Jerosalema|konsily voalohany tany Jerosalema]] (taona 49 taor. J.K.). Tsy isaina ao amin'ny filaharan'ny konsily io fivorian'ny [[Apostoly roa ambin'ny folo|Apostoly]] io. Ny emperora no nampiantso konsily tamin'ny voalohany, taty aoriana dia ny Papa no manao izany. Ny [[Konsily voalohany tao Nikea]] no konsily voalohany teo amin'ny Fiangonana taorian'ny andron'ny Apostoly. Manam-pahefana amin'ny Fiangonana ny zavatra tapaka amin'ny konsily.
 
Misy anefa konsily sasany izay tsy eken'ny fiangonana sasany aorian'ireo fivakisan'ny Fiangonana teo amin'ny tantara. Ny [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]] sy ny [[Anglikanisma|Fiangonana anglikana]] dia tsy manaiky afa-tsy ny fahefan'ny konsily telo volohany, ny [[Fiangonana ortodoksa tandrefana]] ny fito voalohany, ary ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]] dia manaiky ny fahefan'ny ankamaroan'ny konsily rehetra.