Filioque: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
 
Izao ilay andalana nitsofohan'io teny io: ''Credo in Spiritum Sanctum qui ex patre filioque procedit'' ("Mino ny Fanahy Masina izay mivoaka avy amin'ny Ray sy avy amin'ny Zanaka aho". Izany fanovonana izany dia manambara ny foto-pampianarana izay manao ny [[Fanahy Masina]] ho mivoaka avy amin'ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|Zanaka]]. Na dia neken'ny Fiangonana tandrefna aza izy io tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-4 dia tsy nanaiky azy io aza ny Fiangonana tandrefana dia tsy nanome alalana ny hampiasana azy ao amin'ny [[litorjia]] amin'ny ankapobeny raha tsy tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-11. Nanohitra azy mafy i Fotiosy (grika: Φώτιος / ''Phốtios''), patriarkan'i Konstantinopoly tamin'ny taona 867 sy 879. Tsy nanaiky an'io fanovanana io ny Fiangonana tatsinanana satria ny Fiangonana tandrefana irery ihany no nanao azy tsy nisy fifampiresahana ka nanova ilay fanekem-pinoana izay neken'ny [[konsily ekiomenika]] tany aloha rehetra sady io no fahazoan'ny Fiangonana tandrefana manokana ny [[Trinite]] izany, ka notoherin'ny ankamaroan'ny teolojiana tany atsinanana miteny grika. Nisy ny ezaka fampihavanana ny Fiangonana roa tonta tao amin'ny konsily natao tao Ferrare-Florence tamoin'ny taona 1439 nefa tsy nahomby izany.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Fanekem-pinoana]]