Jeremia (mpaminany): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
nahafatsany > nahafatesany
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:SA 160-Jeremia op de puinhopen van Jeruzalem.jpg|vignette|''Manoratra eo amin'ny sisam-pirodanan'i Jerosalema'' ''i'' Jere''mia'', nataon'i Horace Vernet, taona 1844.]]
I '''Jeremia''' dia mpaminany tao amin'ny [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakan'i Joda]] izay heverina araka ny lovantsofina fa nanoratra ny [[Bokin'i Jeremia]] ao amin'ny [[Tanakh]] sy ny [[Testamenta Taloha]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Teraka tokony ho tamin’ny taona 650 tal. J.K. tao akaikin’i Jerosalema i Jeremia. Mbola tanora izy no nantsoin’Andriamanitra hitondra ny teniny, mety mbola tsy ampy 20 taona, tamin’ny andron’i mpanjaka [[Josia (mpanjakan'i Jodà)|Josia]]. Fotoan’ady teo amin’ireo firenena maro ny andro niainan’i Jeremia satria ireo fanjakan-dehibe vaovao dia niezaka nandresy ireo taloha.
 
Nampitandrina ireo mpanjakan’i[[Mpanjakan'i Jodà|mpanjakan’i.Joda]] i Jeremia talohan’ny fandravana an'i Joda sy ny fahalavoan'i Jerosalema nefa nolazaina fa mpamadika. Noho izany dia nisy fotoana nanaovana azy an-tranomaizina. Niaritra fahoriana i Jeremia nefa nanamafy ny fifaneraserany tamin’Andriamanitra izany. Nitarainan amin’Andriamanitra ny amin’izany fahasahiranany izany i Jeremia ka izany no nivoahan’ilay atao hoe "[[Fanekem-pinoan’ipinoan'i Jermia]]".
 
Nanatrika ny faharavan’ny Fanjakan’i Joda sy ny fandoroana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ary ny fanaovana sesitany ny ampahany amin’ny mponin’i Jerosalema koa izy. Tapitra tamin’izany ny maha firenena afaka an’i Joda satria azon’i Babilonia.
 
Nisafidy ny hitoetra tao [[Palestina]] izy fa tsy tany Babilona nandritra ny fotoanan’ny [[Fahababoana tany Babilona|Fahababoana]] nefa noho ilay Kaldeana solontenan’ny fanjakana babiloniana nisy namono tao Jerosalema dia niaraka tamin’ireo izay nandositra tany Ejipta izy ka tany no nanohizany ny asany ary tany koa no mety nahafatesany.
 
== Jereo koa: ==