Fanavaozana prôtestanta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipemina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Lucas Cranach (I) workshop - Martin Luther (Uffizi).jpg|vignette|332x332px|I ''Martin Lotera'' tamin'ny taona 1529, sary nataon'i Lucas Cranach der Ältere.]]
Ny '''[[Fanavaozam-piangonana]]''', izay atao hoe koa [[Fanavaozam-piangonana|'''Reformasiona''']] na [[Fanavaozam-piangonana|'''Reforma''']], dia fihetsiketsehana ara-pivavahana tamin'ny taonjato faha-16 tao amin'ny [[Kristianisma Tandrefana|Fiangonana Tandrefana]] izay nanapitra ny fahambonian'ny [[Papa]] eo amin'ny fitondram-piangonana sady niafara tamin'ny fiforonan'ireny [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]] maro. Ny Fanavaozam-piangonana dia vokatry ny faniriana ny hiverina amin'ny loharano nipoiran'ny [[Kristianisma]]. Te hanome lanja ny fivavahana sy ny fiainana ara-tsosialy amin'ny fomba fijery hafa koa ireo mpanavao fiangonana (na reformatora).
 
Ny Reformasiona dia ahitana taratra ny fanahian'ny fanahin'olombelona<ref><small>Paul Faure, ''La Renaissance'', PUF, 1986, <abbr>p.</abbr> 108</small></ref>, ny amin'ny famonjena, izay ivon'ny fisaintsainan'ireo mpanavao finoana, izay namaky bantsilana ny fahasimban'ny fiarahamonina manontolo nateraky ny fivarotana ny [[indolzantsa]]. Nanararaotra ny firoborobon'ny fanaovana pirinty ny mpanavao finoana mba hanaparitahany ny [[Baiboly]] amin'ny fitenin'ny olona andavanandro (indrindra amin'ny [[Fiteny alemana|fiteny alemàna]] taorian'ny fandikan-teny nataon'i [[Martin Lotera]]), sady naneho fa ny Baiboly dia tsy miresaka ny amin'ny olomasinaolo-masina, na ny amin'ny fanaovana fotoam-pivavahana amin'ny [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria Virjina]], na ny amin'ny [[afo fandiovana]]. Ny fakana hevitra avy amin'ny Baiboly ho filamatra anefa no isan'ny zavatra nanetsika ireo mpanavao finoana. Izany foto-kevitra izany, izay fantatra amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''[[Sola scriptura]]'' ("ny Soratra Masina irery ihany"), no nitari-dalana azy ireo.
 
Natombok'i Martin Lotera fony izy monka (na moanina) katolika tamin'ny 31 Oktobra 1517 tao amin'ny [[Empira Masina]] sy i [[Ulrich Zwingli]] tao Zorika, avy eo i [[Martin Bucer]] tao Strasborga ary taty aoriana i [[Jean Calvin]] tao Parisy sy tao Jeneva ny Reformasiona ka nahazo ny ampahany be tamin'i [[Eoropa Avaratra-Andrefana]]. Nandamoka ny ezaka fampihavanana natao tamin'izay ka teraka ny fivakisana teo amin'ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]] romana sy ireo [[Protestantisma|Fiangonana protestanta]]. Ny Reforma nataon'ny Fiangonana katolika hanoherana izany nonomboka tamin'ny [[konsily tao TredentaTridentio]] (na TrentaTrento) dia tsy nahatafaverina afa-tsy ampahany amin'ny mponina efa niova ho protestanta.
 
Nanana endrika politika koa ilay Reformasiona protestanta satria lasa fitaovana nentin'ireo andriandahy tany Eoropa haneho ny fahaleovantenany manoloana ny fahefan'ny [[Papa]] izay lazaina fa [[Teokrasia|fitondram-pajakan'Andriamanitra]] ([[teokrasia]]) manerana izao tontolo izao. Nentin'ireo mponina maro hikomy manoloana ny andriamanjaka tsy ankasitrahany toa izay nisy tao [[Ekosy]] sy tao [[Hôlandy|Holanda]] aspaniola koa ny Reformasiona. Maro ny vokatr'ilay fihetsiketsehana tamin'ny taonjato faha-16, dia disadisa teo amin'ny emperora Habsbourg sy ireo andriandahy alemàna, ary koa ireo ady an-trano tao [[Frantsa]] sy tao [[Angletera]] ary tao Ekosy.
 
== Jereo koa: ==