Kônsily tao Tridentio: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tantaran'ny katolisisma
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''Konsily tao Trindentio''' na '''Konsily tao Trento''' dia [[konsily]] ekiomenikan'ny [[Katolisisma|Fiangonana katolika]] tamin'ny taonjato faha-16 izay natao hamaliana ny [[Reformasiona protestanta]] ka nanamafy ireo [[tenim-pinoana]] lehibe. Ny fanapahan-kevitry ny konsily dia nohamafisin'ny papa Pio IV tamin'ny 26 Janoary 1564. Izany fanapahan-kevitra izany dia namaritra fitsipika mifehy ny Fiangonana katolika izay nananan-kery hatramin'izay ka hatr'eo an-tenantenan'ny taonjato faha-20.
 
Io no konsily ekiomenika fahasivy eken'ny Fiangonana katolika. Ny papa Paoly III no nampanao io konsily io tamin'ny 22 May 1542 mba hamaliana ny fangatahan'i Martin Lotera tao amlin'ny sehatry ny reformasiona protestanta, ka nanomboka tamin'ny 13 Desambra 1545 izany ary nifarana tamin'ny 4 Desambra 1563. Notanterahina nandritra ny valo ambin'ny folo taona ny fiatrehana ny konsily ka fitondram-papa dimy nifandimby no nifanandrify tamin'izany, dia i Paoly III, i Jolio III, i Marsely II, i Paoly IV ary i Pio IV. Tao amin'ny katedralin'i San Vigilio tao Tredentio no nanaovana azy, avy eo tao Bologne ary farany dia naverina tao Tridentio indray tao amin'ny fiangonana Santa Maria Maggiore.
 
Mba hamaliana ny hevitry ny Protestanta, ny konsily dia nanamafy ny foto-pampianaram-pinoana ny amin'ny fahotana tamin'ny fototra izay nambara tamin'ny konsily faha-16 tao Kartago tamin'ny taona 418, nanamafy koa fa ny fanamarinana, ny fahefan'ny Baiboly izay an'ny Katolika romana manokana sady nanamafy ireo sakramenta fito, ny fivavahana atao amin'ny olo-masina sy amin'ny sisan-javatra navelan'ny maty (relika) ary koa ny tenim-pinoana (dogma) ny amin'ny transobstasiationa. Raha ny amin'ny fifampifehezana indray dia namorona ny seminera diosezana natokana hanofanana ny pretra izany konsily izany.
 
Ny Konsily tao Tridentio no isan'ny konsily lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny katolilsisma. Mampahatsiahy azy matetika no Kosily Vatikàna II (1962-1965). Teo anelanelan'nu Kosily tao Tridentiko sy ny Konsily Vatikàna II dia tsy nisy afa-tsy konsily iray, dia ny Konsily Vatikàna I (1869-1870), izay namaritra ny tenim-pinoanan'ny tsy fetezan-dison'ny papa nefa nitsahatra izany noho ny ady nifabaovan'ny Frantsay sy ny Alemàna tamin'ny taona 1870 sy ny fidiran'ny tafika italiana an-tsehatra izay naka ireo fari-panjakan'ny papa ho fehezin'i Italia.