Kônsily tao Kalkedôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tantaran'ny fiangonana kristiana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Konsily tao Kalkedona''' na '''Konsily tao Kalsedoana''' dia konsily ekiomenika fahaefatra teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana kristiana izay natao tao Kalkedona na Kalsedoana tamin'ny taona 430. Tamin'ity konsily ity nanambaràna ny fananan'i [[Jesosy]] fomba (na natiora) roa, dia natioran'Andriamanitra sy natioran'olombelona. Izany konsily izany no nanoherana an'i Eotikesy, izay nampianatra fa mifangaro ka tsy azo avahana ao amin'ny natioran'Andriamanitra ny natioran'olombelona ao amin'i Kristy. Heverin'ny tao amin'ny konsily ho fampianaran-diso izany fampianarana izany izay nataony hoe ''[[monofizisma]]''. Ny emperora Teodosio II no nampanao io konsily io. Nivoaka tamin'izany ny [[Fiekem-pinoan'i Kalkedona|Fanekem-pinoanan'i Kalkedona]].
 
Nitsipaka izany ireo izay nihevitra fa izany fisianana natiora roa miavaka izany dia fanoherana ny maha iray ny personan'i izay nambaran'i Kirilosy avy any Aleksandria sy nambaran'ny [[konsily tao Efeso]]. Nandray anjara betsaka tamin'izany konsily izany i Flaviano avy any Konstantinopoly sy i Leo I avy any Roma. Manda ny fanapahan-kevitr'io konsily io koa ireo Fiangonana atao hoe "monofizita" izay tsy manaiky ny fananan'i Kristy natioran'olombelona.